Fivavahana Maraina

Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.

Amen.

 

Hisaorana anie ny Trinite Masina tsy azo saraina, ankehitriny sy mandrakizay. Amen.

 

Fitsaohana :

Andriamanitra mandrakizay, mahefa ny zavatra rehetra : Ray, Zanaka sy Fanahy Masina : Andriamanitra tokana Olona telo, mino Anao aho, sy matoky Anao, sy mitsaoka Anao, ary tia Anao amin'ny foko manontolo.

 

Fisaorana :

Andriamanitra, misaotra Anao aho amin'ny zava-tsoa maro nomenao ahy, fa nahary ahy Ianao sy nanavotra ahy tamin'ny Ran'ny Zanakao, ary nanangana ahy ho zanaky ny Fiangonanao sy nitahy ahy tamin'ity alina teo ity.

 

Samia isika mieritreritra ny ota fanaontsika matetika, sy handinika izay nampahadiso antsika, ary hikasa mafy hiala aminy.

 

Fifonana :

Andriamanitra, mifona Aminao aho amin'ny fahasoavanao nariako sy amin'ny fahotana rehetra nataoko taminao, indrindra hatry ny omaly hariva.

 

Fanolorana ny andro : Jereo eto.

 

Rainay any an-danitra : Jereo eto .

 

Arahaba, ry Maria : Jereo eto .

 

Simbolin'ny Apostoly : Jereo eto .

 

Tenin'ny Tompo Andriamanitrao

 

Henoy ny Didy amam-pitsipika ampandrenesiko anao anio ;

Ianaro izany, ary araho amim-pitandremana tokoa :

Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny ainao manontolo ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Ireo didy roa ireo no fototra iavian'ny didy rehetra.

Tsarovy ny Andron'ny Tompo ary hamasino.

Tiavo ny Ray aman-dReninao ary hajao ny Lehibe.

Hajao ny ainao sy ny ain'ny namanao.

Hajao ny fananan'ny olona.

Hajao lalam-panambadiana.

Lazao ny marina.

Ary indrindra izay tian-tena, amboary amin'ny namanao ;

izay halan-tena, aza atao amin'ny namanao.

Izany no ahafantaran'ny olona fa Kristianina ianao.

 

Tenin'ny Fiangonana :

 

Mankamasina ny andro fety natokan'ny Fiangonana hohamasinina.

Mamonje Sorona Masina na Fiangonana amin'ny andro Alahady sy amin'ny andro fety natokan'ny Fiangonana hohamasinina, raha tsy misy sampona lehibe.

Manambara amin'ny Pretra ny fahotana lehibe rehetra, na dia indray maka isan-taona ihany aza.

Manao Komonio tsara amin'ny vaninandro fankalazana ny Paka.

Mifadia hena sy hanina be amin'ny Alarobian'ny Lavenona sy ny Zoma Masina.

Ataovy ny ezaka iombonana sy anentanan'ny Evekan'ny Diosezinao fa indrindra mandritra ny Karemy.

 

Voninahitra :

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

 

Tso-dano :

Hitso-drano sy hitsimbina antsika anie ny Tompo, ka hitondra antsika any amin'ny fiainana mandrakizay. Amen.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1532