NY LAMESA

Ny SORONA MASINA


eokaristia.jpgFanombohana

Novorin'ny Ray isika ary tafangona etoana. Ny feontsika mikambana ao amin'ny fivavahana sy ny hira dia manambara fa tena iray tokoa isika ao amin'i Kristy.


Tononkira fidirana

(mitsangana)

Famantaran'ny hazo fijaliana no entintsika manokatra ny fivoriana. Mifampiarahaba ny Pretra sy isika vahoaka, mba haneho ny firaisana amin'ny maha-iray tampo.

Pretra - Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.

Vahoaka - Amen.

P. Homba antsika mianakavy anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fitiavan'Andriamanitra Ray ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.

V. Ho tanteraka tokoa anie izany.

Hazavain'ny Pretra na olon-kafa ny hevitry ny sorona hatolotra.


Fifonana

P. Aoka isika mianakavy hiaiky ny fahotantsika, hahafahantsika miara-mankalaza sy manatanteraka izao Sorona Masina izao.

Fantatra fa mpanota daholo isika rehetra, koa tsy maintsy mandini-tena isika ary mikasa mafy hiala amin'ny ratsy.

1. Miampanga tena amin'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra aho - ary koa amintsika mianakavy; - fa nanota tokoa tamin'ny hevitro, tamin'ny teniko sy tamin'ny nataoko - ary tamin'ny adidy tsy vitako: - fahotako izany, fahotako, fahotako lehibe. - Koa mihanta amin'i Masina Maria Virjiny mandrakizay aho, - amin'ny Anjely sy ny Olomasina rehetra - ary koa amintsika mianakavy - mba hivavaka ho ahy amin'ny Tompo Andriamanitsika.


2. P. Amindrao fo izahay, ry Tompo.

V. Fa nanota taminao.

P. Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao.

V. Ary omeo anay ny famonjena avy aminao.


3. P. Ianao ilay nirahina hanasitrana ny fo mivalo:
Tompo ô, mamindrà fo aminay!

V. Tompo ô, mamindrà fo aminay!

P. Ianao ilay tonga hiantso ny mpanota:
Kristy ô, mamindrà fo aminay!

V. Kristy ô, mamindrà fo aminay!

P. Ianao ilay mipetraka eo an-kavanan'ny Ray mba ho mpanalalana anay:
Tompo ô, mamindrà fo aminay!

V. Tompo ô, mamindrà fo aminay!


P. Hamindra fo amintsika anie Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra ary hamela ny fahotantsika, ka hitondra antsika any amin'ny fiainana mandrakizay.

V. Amen.

P. Tompo ô, mamindrà fo aminay.

V. Tompo ô, mamindrà fo aminay.

P. Kristy ô, mamindrà fo aminay.

V. Kristy ô, mamindrà fo aminay.

P.Tompo ô, mamindrà fo aminay.

V. Tompo ô, mamindrà fo aminay.


Voninahitra

(mitsangana)

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra, ary fiadanana anie ho an'ny olona ety ambonin'ny tany, fa nanehoany ny hatsaram-pony. Midera Anao izahay, mankalaza Anao izahay, mitsaoka Anao izahay, Mihoby ny hasinao izahay, misaotra Anao izahay noho ny haben'ny voninahitrao, ry Tompo Andriamanitra, Mpanjakan'ny lanitra, Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra. Ry Jesoa Kristy, Tompo, Zanaka lahitoka, ry Tompo Andriamanitra, zanak'ondrin'Andriamanitra, Zanaky ny Ray: manala ny fahotan'izao tontolo izao Ianao, ka mamindràfo aminay; manala ny fahotan'izao tontolo izao Ianao, ka raiso ny fifonanay; mipetraka eo an-kavanan'ny Ray Ianao, ka mamindrà fo aminay. Fa Ianao irery no masina, Ianao irery no Tompo, Ianao irery no Avo Indrindra: ry Jesoa Kristy, miaraka amin'ny Fanahy Masina ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra Ray. Amen


Voninahitra
(hiraina)

And. 1 - Voninahitra anie ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra - Fiadanana anie ho an'ny olom­belona ety an-tany.

Fiv.1 - Fa nanehoany ny fitiavany Izy Andriamanitra.

And. 2 - Midera Anao izahay - Mankalaza Anao izahay -Mitsaoka Anao izahay - Mihoby ny hasinao izahay - Misaotra Anao izahay.

Fiv. 2 - Noho ny haben'ny voninahitrao.

And. 3 Ry Mpanjakan'ny tany aman-danitra - Ray mahefa ny zava-drehetra - Ry Jesoa Kristy Lahitokana - Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra - Ô! ry Zanaka mamin'ny Ray.

Fiv. 3 - Ianao no Tompo sy Andriamanitra.

And. 4 - Manala ny fahotan'izao tontolo izao, ka mamin-drà fo aminay - Manala ny fahotan'izao tontolo izao, ka raiso ny fifonanay - Mipetraka eo an-kavanan'ny Ray, ka mamindrà fo aminay.

Fiv. 4 - Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra.

And. 5 - F'Ianao irery no masina - Ianao irery no Tompo - Ianao irery no Avo indrindra.

Fiv. 5 - Ry Jesoa Kristy

And. 6 - Miaraka amin'ny Fanahy Masina - Ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra Ray.

Fiv. 6 - Amen.


Fangatahana
(mitsangana)

P. Aoka isika hivavaka.

Mitaona antsika hivavaka ny Pretra, ka aborahy amin'Andria­manitra ny faniriantsika rehetra, satria fantantsika fa eo anatrehany isika izao. Avondron'ny Pretra ho iray ny fangatahantsika rehetra amin'ny anaran'Andriamanitra Ray, amin'ny alàlan'i Kristy, ao amin'ny Fanahy Masina.

V. Amen.

 


Tenin'Andriamanitra
(mipetraka)

Miresaka amintsika zanany Andriamanitra: aoka isika hihaino ny teny ampitainy amintsika ary hobio Izy miteny amintsika.

Vakiteny voalohany:
Testamenta taloha na Asan'ny Apostoly

Mpamaky teny: - Izany àry ny Tenin'ny Tompo.

V. Hisaorana anie Andriamanitra.

Salamo na hira ho setrin'ny vakiteny

Vakiteny faharoa :
Asan'ny Apôstôly na taratasy nosoratany.

Mpamaky teny : - Izany àry ny Tenin'ny Tompo.

V. Hisaorana anie Andriamanitra.

Aleloia na fihobiana hafa
(mitsangana)

Vakiteny fahatelo : Evanjely.

P. Homba antsika mianakavy anie ny Tompo.

V. Ho tanteraka tokoa anie izany.

P. Evanjely masina nosoratan'i Masindahy...

V. Voninahitra anie ho Anao, ry Tompo.

Vakiana na hiraina ny evanjely, rehefa vita dia ankalazaina hoe:

P. Izany àry ny Tenin'ny Tompo.

V. Dera anie ho Anao, ry Kristy.



Ny toriteny

(mipetraka)

Ny Pretra no mpitarika ny fivoriantsika, izy no voatendrin'ny Fiangonana hanambara ny hafatry ny Tompo. Manampy antsika izy hahitana fa loharanon'aina ho antsika izany teny izany.

Maninteraka moramora ny fiainantsika manontolo ny teny hambarany ka manjary hanina iainantsika.



Fiekem-pinoana

(mitsangana)

- Izaho mino an'Andriamanitra tokana,

- Ray mahefa ny zavatra rehetra, nanao ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra na ny hita maso na ny tsy hita.

- Izaho mino an'i Jesoa Kristy Tompo tokana, Zanaka lahi­tokan'Andriamanitra, teraky ny Ray talohan'ny taona rehetra:

- Andriamanitra avy amin'Andriamanitra, fahazavana avy amin'ny fahazavana, Andriamanitra marina avy amin' Andriamanitra marina,

- nateraka Izy fa tsy natao, iray fomba amin'ny Ray, ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra.

- Isika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra.

- Ary naka nofo tamin'i Maria Virjiny Izy, noho ny herin'ny Fanahy Masina, ka tonga olombelona;

- nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana ho antsika indray koa, tamin'ny andron'i Pôntsy Pilaty, nijaly ary nalevina;

- nitsangan-ko velona tamin'ny andro fahatelo, araka ny voalazan'ny Soratra Masina, niakatra any an-danitra dia mipetraka eo an-kavanan'ny Ray;

- mbola ho avy amim-boninahitra indray hitsara ny velona sy ny maty, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.

- Izaho mino ny Fanahy Masina, Tompo loharanon'aina, avy amin'ny Ray sy ny Zanaka;

- tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka, ary niteny tamin'ny vavan'ny mpaminany.

- Izaho mino ny Eglizy, iray, masina, katôlika, apôstôlika.

- Izaho mankatò ny batemy tokana ho fanalana ny fahotana.

- Ary izaho miandry ny hitsanganan'ny maty sy ny fiainan-ko avy. - Amen.



Ranombavaky ny mpino

Miaiky isika fa zanak'Andriamanitra ka tokony hifankatia toy ny mpiray tampo. Entanin'izany fifankatiavana izany ndeha hangataka Aminy izay rehetra ilaintsika sy ny namantsika tsy an-kanavaka.

P. Ry havako malala, angatahontsika amim-panetren-tena Andriamanitra, Ray mahefa ny zavatra rehetra, mba harotsany be dia be amintsika rehetra, amin'ny alalan'ny Zanany Lahitokana, ny fanomezana avy amin'ny hatsaram-pony.

Fiverenana azo hisafidianana

1. Aina sy vonjy Ianao, ry Tompo ô.

2. Alofy izahay, ry Fanahy, mba ho tonga nofo amy fiainanay ny Tenin'ny Tompo.

3. Ambarao anay ny sitrakao, ry Ray, ho tanterahinay.

4. Ampahafantaro anay ny sitraky ny Ray mba ho tanterahinay, ry Fanahy Zanahary.

5. Arovinao 'zahay, ry Jesoa, satria ady manko ny fiainana.

6. Ekeo ny vavakay, ry Tompo.

7. Fa tsapanao, ry Ray ô, ny fahorianay.

8. Henoy, ry Tompo ô, henoy ny vavakay, henoy re izahay.

9. Jesoa, ny herin'ny Teninao anie hanova ny fiainanay.

10. Mino 'zahay, Tompo ô, fa tsisy tsy vitanao.

11. Ray ô, tia anay ny Zanakao ka tsinjovy izahay.

12. Ry Kristy ô, ry fiainanay, henoy 'zahay, ry fiainanay ô.

13. Ry Zanaky ny Ray tonga nofo, Ianao no toro-làlana.

14. Tantano hahalala ny Ray izahay, Tompo ô.

15. Tompo ô, ankasitraho izahay, ka aza atosi-bohon-tànana.

16. Tompo ô, aza aveka hivily amy làlanao 'zahay.

17. Tompo ô, henoy izahay miantso Anao (na Aleloia), mba ekeo ny vavakay mitalaho (na Aleloia).

18. Tompo ô, mba ekeo ny vavakay.

19. Tsofy rano ny vahoakanao, ry Tompo.

20. Tsy ho very mandeha 'zay rehetra mifefy aminao.

P. Ry Andriamanitra fialofanay sy herinay ô, avia manatrika, avia manoloana, fa fitiavana no entin'ny Fiangonanao mivavaka aminao, ary Ianao ihany no loharanon'ny fitiavany: ka enga anie ho azony soa aman-tsara izay rehetra angatahiny amim-pitokiana. Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.

V. Amen.



Eokaristia

Tononkira fanolorana
(mipetraka)


Fanomanana ny tolotra

Efa voaomana ny latabatra hanaovana ny Fanasana. Apetraka eo ambonin'ny ôtely ny mofo sy ny divay izay hiova ho Vatana sy Ran'i Kristy. Ny fanolorantsika tena amin'Andriamanitra dia asehon'ny rakitra ho enti-mitsinjo izay ilain'ny Fiangonana sy ho enti-manampy ny namantsika mahantra, fa nataon'i Kristy ho tenany mihitsy ny mahantra.

Isaoran'ny Pretra ny Ray noho ireo fanomezana izay hanjary hanina mamelona ny fanahintsika.

Raisin'ny Pretra ny patena misy ny mofo, asandrany kely sady hoy izy :

P. Ankalazaina Ianao, ry Tompo Andriamanitry ny tany aman-danitra, fa avy Aminao mazava fo sy malala-tànana no nahazoanay izao mofo atolotray Anao izao: vokatry ny tany izao, vokatry ny asan-tànanay olombelona ary dia ho tonga mofon'aina mahavelona anay.

V. Hankalazaina mandrakizay anie Andriamanitra.

Mampidina divay sy rano kely ao anaty kalisy ny pretra, sady manao hoe :

P. Enga anie ho tahaka ity rano sy divay afangaro ity no hiraisanay amin'ny maha-Andriamanitra an'i Jesoa Kristy, Ilay nanaiky hiombona anjara amin'ny maha-olombelona anay.

Raisin'ny Pretra ny kalisy misy ny divay, asandrany kely sady hoy izy :

P. Ankalazaina Ianao, ry Tompo Andriamanitry ny tany aman-danitra, fa avy Aminao mazava fo sy malala-tànana no nahazoanay izao divay atolotray Anao izao: vokatry ny voaloboka izao, vokatry ny asan-tànanay olombelona ary dia ho tonga fisotro masina ho anay.

V. Hankalazaina mandrakizay anie Andriamanitra.

Dia miondrika ny Pretra mivavaka hoe :

P. Mietry tena sy torotoro fanahy izahay, ka raiso, ry Tompo Andriamanitra, ary ho tontosa soa aman-tsara eto imasonao anie ny Sorona atolotray izay, ka ho sitraky ny fonao.

Manasa tànana eny antsisin'ny ôtely ny Pretra, manao hoe:

P. Sasao aho, ry Tompo, ho afaka heloka tanteraka, ary diovy ho afaka amin'ny fahotako.


Tafaverina eo afovoan'ny ôtely ny Pretra, velariny ny tànany, dia akambany, ary hoy izy hoe :

P. Aoka hivavaka isika mianakavy mba hankasitrahan'Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra ity sorona atolotro sy atolotrareo ity.

V. Horaisin'ny Tompo anie ny Sorona atolotry ny tànanao, hanomezana dera sy voninahitra ny anarany, ary koa hanasoavany antsika sy ny Egliziny masina manontolo.


Vavaka fanolorana
(mitsangana)

Manao fivavahana ny Pretra, isika kosa mankatò izany ka mamaly hoe:

V. Amen.



Vavaka fisaorana II

Afaka misafidy amin'ny 13 ao amin'ny Missale romanum fa ny faharoa sy fahatelo ihany no atao eto

P. Homba antsika mianakavy anie ny Tompo.

V. Ho tanteraka tokoa anie izany.

P. Asandrato àry ny fo.

V. Efa any amin'ny Tompo ny fonay.

P. Isaory ary ankasitraho ny Tompo Andriamanitsika.

V. Mendrika sy rariny izany.

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Ray Masina, amin'ny alàlan'i Jesoa Kristy Zanakao malalanao, ilay Teny nanaovanao ny zavatra rehetra, nirahinao hamonjy sy hanavotra anay, naka nofo noho ny herin'ny Fanahy Masina ary naterak'ilay Virjiny. Mba hanatanterahany ny sitraponao sy hanangonany vahoaka masina ho Anao no naninjirany ny tànany hiampatra fony Izy nijaly, mba handrava ny fahafatesana sy hampiharihary ny fitsanganan-ko velona. Izany no iarahanay amin'ny Anjely sy ny Olomasina rehetra mankalaza ny voninahitrao manao hoe:

Masina, Masina, Masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra. - Feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra. -Hôzana any amin'ny avo indrindra. - Hosoavina anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo.- Hôzana any amin'ny avo indrindra.

 

Fiantsoana ny Fanahy Masina
(mandohalika)

Eny, masina tokoa Ianao, ry Tompo, loharanon'ny fahamasinana rehetra, koa mihanta Aminao izahay, arotsahy ny Fanahinao ho toy ny andon'ny lanitra hanamasina ireto fanomezana ireto, ho zary Vatana + sy Ran'i Jesoa Kristy Tomponay.

Fankamasinana

Fa tamin'Izy efa hatolotra hijaly, ka nanaiky an-tsitra-po, dia nandray mofo ary nisaotra, nizarazara sy nanome azy ny mpianany nanao hoe:

Samia mandray
sy mihinana amin'ity ianareo:
fa Vatako ity hatolotra ho anareo.

Toy izany koa, nony avy nisakafo, dia nandray ny kalisy Izy, nisaotra indray ary nanome azy ny mpianany nanao hoe:

Samia mandray
sy misotro amin'ity ianareo:
fa kalisy misy ny Rako ity,
Ra iorenan'ny fanekem-pihavanana
vaovao sady mandrakizay,
halatsaka ho anareo sy ho an'ny be sy ny maro
ho famelàna ny fahotana.

Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy.




Fihobiana an'i Kristy
(mitsangana)

1. P. Lalina sy mahagaga ny ataon'Andriamanitra ho antsika.

V. Manambara ny nahafatesanao izahay, ry Tompo, mankalaza ny nitsangananao, miandry ny hiavianao amim-boninahitra.


2. P. Iray vatsy, iray aina ao amin'i Kristy isika.

V. Isaky ny mihinana izao mofo izao izahay, sy misotro amin'izao kalisy izao, dia manambara ny nahafatesanao, ry Tompo, miandry ny hiavianao amim-boninahitra.


3. P. Mandrakizay ny hatsaram-pon'ny Tompo.

V. Vonjeo izahay, ry Mpamonjy an'izao tontolo izao, fa nanafaka anay Ianao nijaly teo amin'ny hazo fijaliana sy nitsangan-ko velona. Fampahatsiarovana ny fiainan'i Kristy


Eny, mahatsiaro ny Zanakao maty sy nitsangan-ko velona izahay, ka atolotray Anao, ry Tompo, ny mofo antoky ny fiainana sy ny kalisy antoky ny famonjena; ary velom-pisaorana izahay fa nekenao ho mendrika hijoro eto anoloanao sy hanao fanompoam-pivavahana Aminao. Ary mitalaho an-tànan-droa izahay mba hatambatry ny Fanahy Masina ho iray fa miombona anjara amin'ny Vatana sy ny Ran'i Kristy.

Vavaka ho an'ny Eglizy
(pretra hafa raha misy)

Tsarovy, ry Tompo, ny Eglizinao miely patrana eran-tany, ataovy izay hahalavorary azy amin'ny fitiavana miaraka amin'ny Rainay R... sy ny Evekanay R..., ary ny mpanao raharaha masina rehetra.

Vavaka ho an'ny maty
(pretra hafa raha misy)


Amin'ny Sorona ho an'ny maty, dia azo ampiana hoe:

Mba tsarovy R... mpanomponao izay (vao) nantsoinao hiala amin'ity fiainana ity mba ho any aminao. Niharan'ny fahafatesana sahala amin'ny Zanakao izy, ka enga anie hitsangan-ko velona toa Azy koa.


Tsarovy koa ireo havanay efa nodimandry nanantena hitsangan-ko velona, sy ireo rehetra nialoha làlana anay: mba raiso izy hahita ny fahazavan'ny tavanao. Mba amindrao fo izahay rehetra ho mendrika hiombona anjara amin'ny fiainana mandrakizay miaraka amin'i Masina Maria Virjiny Renin'Andriamanitra sy ny Apôstôly sambatra ary ny Olomasina rehetra izay nahita sitraka taminao tety an-tany: ary hiara-kidera sy hankalaza Anao anie izahay.

Amin'ny alàlan'i Jesoa Kristy Zanakao.


Fanolorana ny vatan'i Kristy

Amin'ny alàlany sy miraka aminy ary ao aminy, ry Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, dia Anao avokoa,ao amin'ny Fanahy Masina, ny haja amam-boninahitra amin'ny taona rehetra mandrakizay.

V. Amen.

(tohiny Fanomanana amin'ny Komonio)



Vavaka fisaorana III

Manomboka izao ny fotoana fara-tampony amin'ity fivoriantsika ity. Miraisa fo amin'i Kristy isika - mba hisaotra an'Andriamanitra Ray noho ny soa ataony amintsika, - mba hanolotra ny tenantsika miaraka amin'ny Azy, ho famonjena antsika sy izao tontolo izao.

P. Homba antsika mianakavy anie ny Tompo.

V. Ho tanteraka tokoa anie izany.

P. Asandrato àry ny fo.

V. Efa any amin'ny Tompo ny fonay.

P. Isaory ary ankasitraho ny Tompo Andriamanitsika.

V. Mendrika sy rariny izany.

Prefasy

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay (amin'ny alàlan'i Kristy Tomponay).

Andavanandro:

Fa hatsaram-po no naharianao ny olombelona ary nony voaheloka teo anatrehan'ny rariny izy, dia famindram-po no nanavotanao azy, amin'ny alàlan'i Kristy Tomponay.


Fiaviana:

Fa Izy no nambaran'ny vavan'ny mpaminany, nandrasan'ilay Virjiny tamim-pitiavana lehibe, nolazain'i Joany fa ho avy ary natorony nony efa tonga. Nataony feno hafaliana ny fonay miomana hankalaza ny nahaterahany, mba ho tratrany mivavaka eo am-piandrasana Azy ka mihira sy midera mientan-karavoana.


Noely:

Fa amin'izao mistery nahatongavan'ny Teny ho nofo izao dia fahazavana vaovao no mibaliaka eo imason'ny fanahinay, avy amin'ny voninahitrao; hany ka eto am-pahitana maso an'Andriamanitra izahay dia voasintony ho tia ny tsy hita maso.


Karemy:

Fa sitrakao ny iomananay vahoaka mino Anao hankalaza ny Paka isan-taona amin'ny fo falifaly sy fanahy voadio; ka rahefa niezaka hanatontosa ny fanompoam-pivavahana sy ny asa fitiava-namana izahay ary nandray ny sakramenta nahazoanay aim-baovao dia hiroso eo amin'ny fahasoavana maha-zanaka tanteraka.


Paka:

Fa indrindra amin'izao alina (andro, fotoana) anaovana Sorona an'i Kristy Zanak'ondrin'ny Paka izao. Izy tokoa ilay tena Zanak'ondry manala ny fahotan'izao tontolo izao. Izy no nandrava ny fahafatesanay tamin'ny nahafatesany ary nampody aina anay tamin'ny nitsanganany ho velona.


Alahady:

Fa nangoraka ny olombelona diso lalana Izy, ka nanaiky haterak'ilay Virjiny; nijaly tamin'ny Hazo Fijaliana Izy, mba hanafaka anay tsy ho faty mandrakizay, ary nitsangan-ko velona, mba hanome anay ny fiainana tsy manam-pahataperana.


Masina Maria:

Fa indrindra ny mankalaza Anao be indrafo amin'ny fiderana feno fankasitrahana ataonay mahatsiaro sy mihoby an'i Masina Maria Virjiny. Satria nanao zava-dehibe eran'ny lafy valon'ny tany Ianao ary manohy mandrakizay ny famindram-po afafinao, fa nitsinjo ny fietren-tenan'ny ankizivavinao izay nahazoanay ny Mpamonjy ny taranak'olombelona dia ny Zanakao: i Jesoa Kristy Tomponay.


Maty:

Fa ao Aminy no mibaliaka ny fanantenanay hitsangan-ko velona sy ho sambatra, ary ireo mitebiteby eo am-piheverana ny fahafatesana ho lalana tsy maintsy diavina, dia afa-mionona eo am-panantenana ilay tsy fahafatesan-ko avy. Satria ho an'izay mino Anao, ry Tompo, miofo ny aina fa tsy levona; ary rahefa rava ny fonena-mandalo eto an-tany, dia hisolo fonenana mandrakizay kosa any an-danitra.


Izay no iarahanay amin'ny Anjely sy ny Olomasina rehetra mankalaza ny voninahitrao manao hoe:

Masina, Masina, Masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra. - Feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra. - Hôzana any amin'ny avo indrindra. - Hosoavina anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo. - Hôzana any amin'ny avo indrindra.


Fiantsoana ny Fanahy Masina
(mandohalika)

Eny, masina Ianao, ry Tompo, ary rariny raha midera Anao ny voaary rehetra arin-tànanao, fa amin'ny alàlan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, noho ny asan'ny Fanahy Masina sy ny heriny dia manome aina sy manamasina ny zavatra rehetra Ianao ary tsy mitsahatra mamory vahoaka ho Anao, mba hisy sorona madio hatolotra ny anaranao tsy an-kijanona hatraiza hatraiza.

Koa mitalaho an-tànan-droa Aminao izahay, ry Tompo, enga anie ireto fanatitra entinay hatokana ho Anao ireto mba ho sitrakao ny hanamasina azy amin'ny herin'ny Fanahy Masina, ka ho zary Vatana + sy Ran'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, fa hafatra navelany no ankalazanay izao mistery izao.

Fankamasinana

Dia visavisain'ny Pretra amin'izay ny tantaran'ny namoronana ny Eokaristia, fanekem-pihavanana mandrakizay eo amin'Andria­manitra sy ny olona.

Fa ny alina nanolorana Azy, dia nandray mofo Izy, nisaotra Anao ka nitso-drano, nizarazara sy nanome azy ny mpianany nanao hoe:

Samia mandray sy mihinana amin'ity ianareo
fa Vatako ity hatolotra ho anareo.

Toy izao koa, nony avy nisakafo, dia nandray ny kalisy Izy, nisaotra Anao ka nitso-drano sy nanome azy ny mpianany nanao hoe:

Samia mandray sy misotro amin'ity ianareo:
fa kalisy misy ny Rako ity,
Ra iorenan'ny fanekem-pihavanana
vaovao sady mandrakizay,
halatsaka ho anareo sy ho an'ny be sy ny maro
ho famelàna ny fahotana.

Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy.


Fihobiana an'i Kristy
(mitsangana)

Ary aoka hataontsika antso avo izay ambaran'ny finoantsika amin'i Jesoa miafina anatin'ireo endrika ireo.

1. P. Lalina sy mahagaga ny ataon'Andriamanitra ho antsika.

V. Manambara ny nahafatesanao izahay, ry Tompo, mankalaza ny nitsangananao, miandry ny hiavianao amim-boninahitra.


2. P. Iray vatsy, iray aina ao amin'i Kristy isika.

V. Isaky ny mihinana izao mofo izao izahay, sy misotro amin'izao kalisy izao, dia manambara ny nahafatesanao, ry Tompo, miandry ny hiavianao amim-boninahitra.


3. P. Mandrakizay ny hatsaram-pon'ny Tompo.

V. Vonjeo izahay, ry Mpamonjy an'izao tontolo izao, fa nanafaka anay Ianao nijaly teo amin'ny hazo fijaliana sy nitsangan-ko velona. Fampahatsiarovana ny fiainan'i kristy


Eny, ry Tompo, tsaroanay ny Zanakao na Izy nijaly hamonjy anay, na Izy nitsangan-ko velona tamin'ny fomba mahagaga, na Izy niakatra any an-danitra, ary miandry Azy mbola ho avy fanindroany izahay, ka fo velom-pisaorana no anoloranay Anao izao Sorona velona sady masina izao.

Mba topazo maso re ity fanatitry ny Eglizinao ary jereo fa izao ilay sorona natolotry ny Zanakao sitrakao hampitony Anao, ka enga anie rahefa nahazo hery tamin'ny Vatany sy ny Rany izahay ary henika ny Fanahy Masina, dia mba hiharihary fa vatana iray sy fanahy iray ao amin'i Kristy.

Izy Fanahy Masina anie handavorary anay ho tonga fanatitra mandrakizay ho Anao, mba ho mendrika hiray lova amin'ny olom-pinidinao, indrindra amin'i Masina Maria Virjiny Renin'Andriamanitra, ny Apôstôly masina, ny Martirinao be voninahitra (sy i Masindahy... na Masimbavy...) ary ny Olomasina rehetra: noho ny fitalahoany dia matoky izahay fa hahita fanambinana lalandava eo anilanao.

Vavaka ho an'ny Eglizy
(pretra hafa raha misy)

Henoy vavaka izahay, ry Tompo, ka ity Sorona mampihavana anay Aminao ity anie hitondra fandriam-pahalemana sy famonjena ho an'izao tontolo izao.

Ho sitrakao anie ny hanamafy finoana sy fitiavana ny Eglizinao mivahiny ety an-tany miaraka amin'ny Rainay R... mpanomponao sy amin'ny Evekanay R... ary ny Eveka rehetra miara-mitondra ny Eglizy sy ny mpanao raharaha masina tsy an-kanavaka mbamin'ny vahoaka manontolo navotanao.

Amindrao fo ny fianakavianao ka atreho ny vavaka ataony, fa sitrakao ny hijoroany eto anoloanao. Ary ireo zanakao rehetra miely patrana eran'ny vazan-tany, mba ampiraiso Aminao, ry Ray be fiantra sy be indrafo.

Vavaka ho an'ny maty
(pretra hafa raha misy)

Ireo havanay nodimandry sy izay rehetra lasa any an-koatra nahita sitraka taminao dia mba amindrao fo, ka raiso any amin'ny fanjakanao; manantena ny ho any koa izahay, indray ho henika ny voninahitrao mandrakizay, amin'ny alàlan'i Kristy Tomponay, Ilay anomezanao ny soa rehetra an'izao tontolo izao.


Raha sorona ho an'ny maty azo soloina hoe:

Mba tsarovy R... mpanomponao izay (vao) nantsoinao hiala amin'ity fiainana ity mba ho any Aminao. Niharan'ny fahafatesana sahala amin'ny Zanakao izy, ka enga anie hitsangan-ko velona toa Azy koa, rahefa tonga ilay andro hananganany ny maty rehetra, ka hanovany ny vatanay mora simba hitovy endrika amin'ny Vatany mamirapiratra.

Ary ny havanay nodimandry sy izay rehetra lasa any an-koatra nahita sitraka taminao dia mba amindrao fo, ka raiso any amin'ny fanjakanao; manantena ny ho any koa izahay, indray ho henika ny voninahitrao mandrakizay, rahefa hofaohinao avokoa ny ranomaso amin'ny tavanay, satria hahita Anao araka ny toetranao Andria­manitray izahay, hitovy endrika Aminao mandrakizay mandrakizay, ary tsy hitsahatra ny hidera Anao, amin'ny alàlan'i Kristy Tomponay, Ilay anomezanao ny soa rehetra an'izao tontolo izao.


Fanolorana ny vatan'i Kristy

Amin'ny alàlany sy miaraka aminy ary ao aminy, ry Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, dia Anao avokoa, ao amin'ny Fanahy Masina, ny haja amam-boninahitra amin'ny taona rehetra mandrakizay.

V. Amen.



Fiomanana amin'ny komonio

Ny Fivavahan'ny Tompo dia manomana antsika ho amin'ny fanasan'ny Tompo, satria amin'io fivavahana io dia mangataka ny hanina sahaza antsika isan'andro isika.

P. Manaraka ny didy nomen'ny Mpamonjy isika, ary nampianarin'Andriamanitra, ka sahy manao hoe:

Rainay any an-danitra, - hohamasinina anie ny anaranao, - ho tonga anie ny fanjakanao, - ho tanteraka anie ny sitra-ponao - ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan'andro; - avelao ny fahotanay - tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; - aza avelanao ho azon'ny fitaoman-dratsy izahay, - fa manafaha anay amin'ny ratsy.

P. Eny, manafaha anay amin'ny ratsy rehetra, ry Tompo, ary mba fenoy ny fiadananao ny andro iainanay; enga anie hombàn'ny indrafonao izahay, ka sady ho afaka mandra­kariva amin'ny fahotana no hilamina tsy ho azon-tebiteby na toy inona na toy inona, eto am-piandrasana ny hasambarana nampanantenainao sy ny fiavian'i Jesoa Kristy Mpamonjy anay.

V. Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay.

Ny fiadanana

Tsapantsika fa iray tampo ao amin'i Kristy isika rehetra ka mivavaka ny Pretra mba ho tanteraka ao amin'ny Fiangonana ny fiadanana sy ny firaisana.

P. Ry Jesoa Kristy Tompo, Ianao nilaza tamin'ny Apôstôlinao hoe: Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo: aza ny fahotanay no jerena fa ny finoan'ny Eglizinao; ka ho sitrakao anie ny hampiadana azy sy hampiray azy araka ny sitraponao. Fa Ianao velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay.

V. Amen.

P. Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny fiadanan'ny Tompo.

V. Ho tanteraka tokoa anie izany.

Pretra na ny diakra:
Aoka haneho am-pahibemaso isika fa mihavana ao amin'ny fiadanan'i Kristy.

Azo atao amin'izany ny mifanome mari-pihavanana sy fifankatiavana.

P. Ny Vatana aman-dRan'i Jesoa Kristy Tompontsika anie ho antoky ny fiainana mandrakizay ho antsika mandray azy.

V. Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra, - izay manala ny fahotan'izao tontolo izao, - mamindrà fo aminay.

- mamindrà fo aminay.

- omeo ny fiadananao izahay.



Komonio

Satria Firaisan'ny Tompo izy ity, dia tokony handray anjara amin'ny fanasana ny olona; voavoatra ho antsika rehetra ny latabatra fihinanana.

Ry Jesoa Kristy Tompo, Zanak'Andriamanitra velona, noho ny sitrapon'ny Ray sy ny asan'ny Fanahy Masina, dia maty Ianao ka velona izao tontolo izao: koa afaho amin'ny heloko rehetra sy ny ratsy isan-karazany aho noho ity Vatanao sy Ranao masina ity: ataovy mifikitra mandrakariva amin'ny didy aman-dalànao aho, ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.

na izao:

Tsy hahadiso ahy, tsy hahameloka ahy anie, ry Jesoa Kristy Tompo, izao fandraisako ny Vatanao sy ny Ranao izao, fa hiaro ahy fanahy amam-batana, ary ho tonga fanafody mahasoa ahy noho ny indrafonao.

P. Sambatra izay voaantson'ny Zanak'ondry amin'ny fanasany. Inty ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, inty ilay manala ny fahotan'izao tontolo izao.

V. Tompo ô, tsy mendrika hidiranao ato amiko aho, fa manonòna teny iray ihany dia ho sitrana ny fanahiko.

 

Tononkira amin'ny Komonio


 

Vavaka aorian'ny Komonio
(mitsangana)

P. Aoka isika hivavaka.

Avondron'ny Pretra ny fangatahan'ny kristianina rehetra ka mangataka amin'Andriamanitra izy mba hiseho eo amin'ny fiainantsika rehetra andavanandro ny vokatr'ity fotoam-pivavahana niaraha-namonjy ity.

V. Amen.

 



Famaranana

Momba antsika amin'izay alehantsika ny tsodranon'Andriamanitra.

P. Homba antsika mianakavy anie ny Tompo.

V. Ho tanteraka tokoa anie izany.

P. Hitso-drano antsika anie Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra, ny Ray sy ny Zanaka + sy ny Fanahy Masina.

V. Amen.

Pretra na diakra:
Hitantana ny diantsika anie i Kristy.

V. Hisaorana anie Andriamanitra.

Dia mirava samy mamonjy ny asa fanasoavana imasoany, sady midera sy mankalaza ny Tompo.

Ny Sorona Masina no mifarana, fa i Kristy dia monina aty amintsika mandritra ny andro iainantsika.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0816