Vavaka (hasivianandro) amin'ny alalan'i Frera Raphael Louis Rafiringa

Ry Andriamanitra izay nampanantena fa izay manetry tena dia hasandratra ary izay mampianatra ny fahamarinana amin'ny maro dia hamirapiratra mandrakizay any an-danitra. Mihanta Aminao izahay mba hampiharihary ny voninahitry ny mpanomponao Frera Raphael-Louis.

Tompo o, arotsahy amin'izay mangata-bonjy Aminao noho ny fahatsiarovanao ny hatsaram-panahy nananany teto an-tany ny fahasoavanao.... (tononina eto ny fahasoavana angatahina).

Enga anie ka hohajain'ny Fiangonana masina ny fahatsiarovana azy, ka hanomezany anay fakan-tahaka sy mpiaro vaovao, izay hamonjy anay amin'ny asanay sy ny fahasahirananay rehtra, ary hanampy anay ho tody soa aman-tsara any amin'ny hasambarana mandrakizay. Amen.

Rainay...

Arahaba ry Maria...

Voninahitra...

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098