Vavaka enti-miady amin'ny asan'ny maizina rehetra

 (Azo atao amin'ny fotoana rehetra sy amin'ny toerana rehetra)

Enga anie Andriamanitra Andriananahary, Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, ny Trinite Masina hidina aminay sy amin'i ...........

Enga anie Masina Maria Virijiny sy tsy azon-keloka, ny Arakanjely fito izay mijoro manoloana an'Andriamanitra ary ny tafika ny lanitra rehetra, ny Olomasina rehetra any an-danitra homba anay. Tohano izahay ry Tompo, ovay ny fonay ary fenoy Anao. Iraho izahay. Roahy lavitra anay ny herin'ny ratsy rehetra, foano sy poteho izy ireo mba hanananay ny fahasalamana tanteraka sy hanao ny tsara. Roahy lavitra anay : ny ankasoparana, ny mosavy, ny majia mainty, ny lamesa mainty, ny vitan-dratsy, ny fatopatotra, ny ozona, ny maso ratsy, ny fandriky ny demony, ny fananana demony, ny fifanarahana amin'ny demony, sy izay rehetra ratsy, ny ota, ny fitsiriritana, ny fialonana, ny hevi-dratsy, ny fironana amin'ny ratsy, ny fankahalana, ny lolom-po, ny ratram-po, ny aretina ara-batana, ara-tsaina, ara-moraly, ara-panahy ary ny aretina rehetra afitsoky ny demony. Dory avokoa ireo any amin'ny afobe ary enga anie tsy hitambesatra aminay intsony sy amin'ny zava-boaary rehetra eto amin'izao tontolo izao. Amin'ny Anaran'i Jesoa Kristy Mpamonjy, amin'ny alalan'ny hazofijaliany be voninahitra, miaraka min'ny vavaka ataon'i Masina Maria tsy azon-keloka ary miaraka amin'ny herin'Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra, mandidy sy mibaiko ny fanahy maloto reehtra aho mba hiala aminay avy hatrany ary handao anay tsy hiverina intsony ho any amin'ny afobe mandrakizay, hafatotr'i Masina Misely Arakanjely, Masina Gabriely Arakanjely, Masina Rafaely Arakanjely, sy ny anjely mpiambina rehetra, ary hosihosen'ny tongotr'i Masina Maria Virirjiny sy tsy azon-keloka.

Amena.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0249