Tso-dranon'ny Sakramenta Masina

Hira fanombohana

Miankohofa mba hitsaoka

 

1 - Miankohofa mba hitsaoka

'Ty mistery lehibe.

Ny lalàna teo aloha

Aoka hisolo vaovao,

Ny finoana anie hameno

'Zay tsy mety ho azonatsika.

 

2 - Andriamanitra Ray sy Zanaka

Mba derao sy hobio,

Voninahitra, arahaba

Saotra, haja ho Azy koa :

Mba derao toy izany

Ny Fanahy avy Aminy.

 

Amen.

 

P : Nomenao mofo avy any an-danitra izy (Aleloia)

V : Dia mofo manana ny hasina rehetra (Aleloia)

 

Aoka isika hivavaka

 

Andriamanitra o, namelanao ny fahatsiarovana ny fijalianao izahay amin'izao Sakramenta mahagaga izao, koa enga anie ho fatra-panaja izany mistery misy ny Vatanao sy ny Ranao izany izahay mba handrenesanay lalandava ny vokatry ny fanavotanao anay. Fa ianao velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay.

Amen.

 

Fankalazana

- Ankalazaina anie Andriamanitra !

- Ankalazaina anie ny Anarany Masina !

- Ankalazaina anie i Jesoa Kristy tena Andriamanitra sy tena olombelona !

- Ankalazaina anie ny Anaran'i Jesoa !

- Ankalazaina anie ny Fony Masina !

- Ankalazaina anie ny Rany saro-bidy !

- Ankalazaina anie i Jesoa Kristy ao amin'ny Sakramenta Masina eo ambonin'ny otely !

- Ankalazaina anie ny Fanahy Masina mpanafaka alahelo !

- Ankalazaina anie i Masina Maria Virjiny renin'Andriamanitra !

- Ankalazaina anie izy tsy azon'ny fahotana tamin'ny fototra !

- Ankalazaina anie izy nampiakarina amim-boninahitra any an-danitra !

- Ankalazaina anie ny Anaran'i Maria sady Virjiny no Reny !

- Ankalazaina anie i Md Josefa vadiny madio indrindra !

- Ankalazaina anie Andrimanitra ao amin'ny Anjeliny sy ny Olomasiny !

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105