Fivavahana eo anatrehan'ny sarin'i Jesoa Kristy mifantsika

Ry Jesoa tsara fo sy mamiko indrindra,
inty aho mandohalika sy miankohoka eto anatrehanao,
ary milelaka ny faladihanao sy mitalaho mafy aminao : mba velomy sy ahomboy mafy ao am-poko ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana, ary ny fanenenana marina amin'ny ratsy rehetra nataoko sy ny fikasana mafy tsy hanao azy intsony, fa mitsetra sy malahelo tokoa aho izao mieritreritra sy mibanjina ny fery diminao sady mahatsiaro ireto teny naloakan'ny vavan'i Davida mpaminany ireto hoe: "Voaloakan'izy ireo ny tanako sy ny tongotro ary voaisany ny taolako rehetra"

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102