Famehezan-tena amin'ny Fo Masin'i Jesoa

Ry Fo Masin'i Jesoa Andriamanitra Mpanavotra ahy, hitako miharihary ny fitiavana tsy mahalala sasatra nasehonao tamin'ny olona rehetra, tsaroako ny Ranao masina nanavotanao ahy, ary heveriko ny famindram-ponao tsy lany na oviana na oviana. Ary noho izany, dia omeko Anao anio ny fiainako manontolo, ny fananako, ny fanahiko, ny hevitro, ny faniriako, ny teniko, ny asako sy ny fijaliako ary ny atolotro Anao indrindra, dia ny foko sy ny fitiavako rehetra.
Fo Masin'i Jesoa รด, raiso izao atolotro Anao izao: diovy aho, hamasino aho, ary ampireheto ao am-poko ny fitiavana Anao. Amen.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0699