VAVAKA MIARAKA AMIN'I MASINDAHY JOSEFA

Ry Masindahy Josefa, ray sy mpiaro ny virjiny rehetra, mpitaiza mazoto nanankinan'Andriamanitra an'i Jesoa ilay fahadiovana mihitsy, sy i Maria ilay Virjiny lohan'ny virjiny rehetra : mifona sy mihanta aminao amin'ny anaran'i Jesoa sy Maria aho, noho izany rakitra roa napetraka taminao sy malalanao izany : ampioa aho hiala amin'ny loto rehetran'ny fahotana, ary ho tonga madio am-po sy mahafehy tena, mba hanompo mandrakizay an'i Jesoa sy i Maria ami'ny fahadiovana lavorary. Amen

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099