Fangatahana pretra sy relijiozy


Ry Andriamanitra tsara fo indrindra o, sitrakao ny miantso tovolahy sy tovovavy Malagasy ho amin'ny fahambonian'ny Pretra sy ny Relijiozy. Koa mihanta aminao izahay, aoka ho masim-pitondran-tena mandrakariva ireo Pretra sy Relijiozy, ary aoka ho maro ny olona antsoinao ho Pretra sy Relijiozy eto amin'ny Nosinay: rotsahy fahasoavana betsaka ireo Seminera sy Nóvisià, hiomanan'ny Pretranay sy Relijiozinay. Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.094