Mgr. Benjamin Ramaroson Evekan'Antsiranana

Notendren'ny Papa Fransoà ho evekan'ny diosezin'Antsiranana androany 27 novambra 2013 i Mgr. Benjamin Ramaroson izay evekan'i Farafangana teo aloha. Nandritra ny 8 taona izy, izany  hoe nanomboka tamin'ny 2005 no niandraikitra ny diosezin'i Farafangana talohan'izao nanendrena azy izao.

Ny diosezin'Antsiranana amin'izao fotoana izao dia misy  mponiina 1.431.000, ka katolika ny 590.796. Manana pretra 65 sy relijiozy 181 ihany koa izy.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106