FANABEAZANA SY NY FAMPIANARANA. ao amin'ny Sekoly Katolika

Hafatra avy amin'ny Vaomiera Episkopaly misahana ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katolika eto Madagasikara.

HARENA NY HARENA RAHA MAMOKATRA ARY MAMOKATRA HO AN'NY BESINIMARO
Hafatra fanentanana avy amin'ny Arseveka Raiamandreny, novakiana tamin'ny fidirana ofisialy ny taom-pianarana 2014-2015 ny Sekoly Katolika ny Madagasikara.

« Fa izay itoeran'ny harenao no itoeran'ny fonao koa » (Mt 6, 21)

SAVARANONANDO :
Ny sekoly no seha-panabeazana lafatra indrindra hoy ny Fiangonana, ao no toerana anabeazana sy ibeazan’ireo ankizy sy tanora, mba hivelaran’izy ireo eo amin’ny lafiny maro :vatana, fahaizana amam-pahalalana,fahendrena ary finoana. Ny olona feno mivelatra amin’ny maha izy azy, noho izany no fenitra hotratrarina.
Ireo hafatra fanentanana natolotra antsika, tanatin’ny taona vitsivitsy izay, dia nifantoka tanteraka tamin’ireo soatoavina handrafetana io olona feno io. Nirosoantsika ilay fifanajana miainga avy amin’ny tsirairay, fototry ny fanabeazana; notohizantsika tamin’ny fanajana ny soa iombonana izany, satria tsy afa-mivelatra tsy anivon’ny fiarahamonina ny olona iray; ary niara-niezaka ihany koa isika avy eo nanaporofo fa anio ny ho avy fa tsy rahampitso.
Tsy mijanona eo akory ny ezaka ary tsapa aza fa vao mainka mivaivay ny antso miantefa amintsika anatrehan’ny fihazakazaky ny fanatontoloana. Zary manjavozavo ilay fanajana ny olona izay harena voalohany ho an’ny Tanindrazana, zary tantely afa-drakotra ny harena sesehena foin-janahary ho antsika. Nandritra ny CONaEC (Filankevitra Nasionalin’ny Fanabeazana Katolika) natao teto Moramanga nanomboka ny 28 Jolay ka hatramin’ny 31 jolay 2014 àry no nandraisana ny hafatra fanentanana hanohizana ireo ezaka efa nilofosantsika hatrizay, manao hoe : “HARENA NY HARENA RAHA MAMOKATRA ARY MAMOKATRA HO AN’NY BESINIMARO”


I. FIRENENA MANAN-KARENA HOE?
a. NY OLONA NO HARENA VOALOHANY
Ny olona amin’ny maha-olona feno azy tokoa no harena voalohany indrindra. Raha ny velaran’ny tanintsika no jerena dia azo lazaina fa mbola vitsy isika Malagasy, manodidina ny 22 tapitrisa, izany hoe 36,25 hab/km2. Afaka miaina an-kalalahana tanteraka ary afa-misitraka ireo harena voa-janahary manodidina.
Mponina tanora isika satria latsaky ny 18 taona ny antsasa-manilan’ny Malagasy ; azo adika izany fa ampahany lehibe amin’ny mponina no afa-mamokatra. Be loatra nefa ny tanora tsy an’asa, tsy ampy ny tolotr’asa sy vitsy ny afaka mamorona asa ho azy manokana ary « 70 % -n’ny tanora nahavita fianarana, tsy mahita asa akory ».
Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao no jerena dia miaina tanteraka ao anatin’ny fahantrana lalina ny 75% -n’ny vahoaka Malagasy. Mihorohoro lava nohon’ny fanafihan’ny dahalo ny vahoaka, Tsy vitan’ny mandroba fananana ireo malaso fa mamono sy manolana…
tsy manaja ilay aina intsony.Hanohy ny ezaka hatrany ny Sekoly Katolika hanabe ny ankizy sy ny tanora hiaro ny hasiny sy ny zony mba tsy hisy intsony ny fanaovana fitaovana azy ireo.
Mba ho zary harena anefa ny olona dia takiana aminy, ankoatra ireo tombana ivelany, ny fahaizana, ny fahendrena ary ny finoana. Ny sekoly no sehatra ivelaran’izany voalohany. Izany indrindra no ampijoroana eo anivon’ny Sekoly Katolika ny programa EVA sy ny EVA Parents (Sekolin’ny Ray aman-dReny) ary miezaka koa izy mamolavola programam-pampianarana mifanaraka amin’ny filàna amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Anio tokoa ny ho avy fa tsy rahampitso !
Ny tanjon’ireo ezaka rehetra ireo dia hamolavola olona hamokatra ka hampivelatra ny maha- olona sy ny olona manontolo ary ho an’ny olon-drehetra, hikatsaka mandrakariva ny SOA IOMBONANA


b. TOETRA MIFANGARIKA
Tokana aman-tany ny harena voajanahary eto Madagasikara : zavamaniry sy biby maherin’ny 600 karazana no tsy misy raha tsy eto amintsika. Na iza na iza vahiny mandalo eto Madagasikara dia samy miaiky fa manan-karena ity Nosin-drazantsika ity. Tsy misy tsy ahitana harena an-kibon’ny tany ny lafivalon’ny Nosy, ao ny vatosoa sarobidy, ny volamena, ny safira, ny fasimainty, ny solitany… tsy tambo isaina ihany koa ankilan’izany ireo harena voajanahary mipariaka eran’ny Faritra ary samy manana ny hanitra ho azy, na biby izany na zavamaniry. Tsy lazaina intsony ny any anaty rano. Niangaran-Janahary tokoa isika.Hatramin’izao aloha dia tsy mitondra antsika handresy ny fahantrana ny fitrandrahana azy ireny. Olom-bitsy no mahazo tombony.
Toa ny mifanohitra ny toe-javatra iainana raha vao resahina ny mahakasika mivantana ny olona diaisika Malagasy. Toa misy fifanoherana lalina izany. Misy aza moa olona tia vazivazy milaza fa ny Malagasy dia olo-mahantra matory ambonin’ny kidoro volamena. Koa manan-karena marina ve isika?


II. NY ANDRAIKITRY NY SEKOLY
a. SEKOLY KATOLIKA MAMPIANATRA SY MANABE HAHALALA NY HARENA
Manana adidy ny Sekoly Katolika hampianatra sy hanabe ireo ankizy sy tanora mba hahalala marina ny harena ananany. Mampahafantatra ny zaza vao miditra an-tsekoly ireo harena misy eo an-tananany sy ny manodidina azy. Indraindray tokoa tsy ilaina loatra aloha ny manao fitsidihana an-toerana lavitra, satria ny eo an-toerana aza tsy fantatra. Arakaraka ny hirosoan’ireo beazina no tokony hirosoany ihany koa amin’ny fahalalana ny haren’ny tananany, ny Faritra misy azy sy ny Fireneny.

b. SEKOLY KATOLIKA, MAMPIANATRA SY MANABE HIARO NY HARENA
Tsy mijanona amin’ny fampahafantarana nefa ny asan’ny sekoly; adidiny ny mamolavola toe-tsaina vonon-kiaro ireo harena ireo. Tsy takona hafenina toa tafika andrefan-tanana tokoa ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenentsika. Tefena hatrany amin’ny ankizy bitika indrindra izany toe-tsainaizany. Ireo ezaka mivantana ataon’ny sekoly hikajiana ny tontolo iainana dia efa fiarovana izany harena izany. Beazina noho izany ny sain’ireo tanora hanana toetra saro-piaro ka ho vonon-kisetra ireo olana handravana sy handrobana ireo harentsika.

d. SEKOLY KATOLIKA, MAMPIANATRA SY MANABE HAMPAMOKATRA NY HARENA HO AN’NY BESINIMARO
Dieny izao isika dia miezaka hampitsiry ao an-tsain’ireo beazina fa raha tsy mamokatra ny harena dia tsy misy akory izay maha-harena azy. Ny vokatry ny famokarana nefa dia isika tompony aloha no tokony hisitraka azy, fa tsy ny vahiny sy ireo olom-bitsy difotry ny fitiavan-tena.
Mamokatra ihany ny toerana sasany, fa zara raha mahatratra ny 1 na 2%-n’ny tombon-tsoa ihany no mijanona ho antsika. Tsy mitondra fanafana hiadiana amin’ny fahantrana akory izany. Tsy ny besinimaro no mahazo tombon-tsoa fa ireo tompon’ny fitrandrahana.
Firifiry ireo fitrandrahana mambotry ny firenena. Aoka tsy hadinoina fa manam-paharitana ireny harena ireny: fasimainty, safira, volamena,petroly, andramena, sokatra…Tsy voatery manana diplaoma ambony akory vao hahay hampamokatra ireo harena ireo ka hampamokatra azy ho an’ny besinimaro!


FAMARANANA :
Tsy tambo visavisaina tokoa ireo harena foin-janahary ho antsika mponin’ity Nosy ity. Indrisy toa zary harena tsy azo ianteherana nefa izany satria harena tsy afa-mamokatra ho an’ny besinimaro, ka tsy isika tompony no ho mpisitraka voalohany ireo soa entin’izy ireny;fa zary tompony mangataka ny atiny.
Sarotra nefa ny hanatanterahana izany noho ny takaitra navelan’ny tantara ary indrindra noho ny fitiavan-tena tafahoatran’ireo andian’olona mianoka amin’ireo tombontsoa mihoapampana amin’ny fitrandrahana sy fanondranana azy ireny. Andraikitra goavana no miandry ny rehetra, ary singanina manoka amin’izany isika sekoly izay anankinan’ny Eglizy adidy hampianatra sy hanabe ireo zanaky ny Firenena, mba hahalala, hiaro ary hampamokatra ireo harena foin-janahary ho antsika ireo,izay isika olombelona no harena voalohany .
Isika tsirairay àry no anankinana izany adidy aman’andraikitra lehibe izany. Tsy efan-drery nefa ny fanabeazana ary tsy vitamora ny fanovàna toe-tsaina, koa alao hery !Izany indrindra no hiandrandrantsika sy hitalahoantsika ilay Virjiny Masina, modely lafatra ho an’ny mpanabe rehetra, dia ilay Reny tia sady tian’i Jesoa, mba hanolo-tanana ka hampanjary ireo ezaka rehetra ilofosantsika hanabeazana sy hampivoarana araka ny tokony ho izy ireo ankizy sy tanora ankinina amintsika.
Mitsodrano anareo aho mba ho taom-pianarana hamokatra ity taom-pianarana 2014-2015 ity sy ny manaraka rehetra. Tsarovy hatrany ny tenin’i Kristy : « Fa izay itoeran'ny harenao no itoeran'ny fonao koa » (Mt 6, 21)

Moramanga, 31 Jolay 2014

Mgr RAMAROSON Benjamin Marc,c.m.
Filohan’ny Vaomiera Episkopaly misahana
ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katolika eto Madagasikara.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098