Taona 2015, taonan'ny Fiainana Voatokana

Araka ny efa nambaran'ny Papa nandritra ny fivorian'ny lehibem-pikambanana relijiozy tao Roma tamin'ny volana novambra 2013 dia atokana ho an'ny Fiainana Voatokana ny taona 2015. Izany dia manomboka indrindra ny taona litorjika amin'ny 30 novambra 2014 ka mifarana amin'ny andro natokana ho an'ny fiainana voatokana amin'ny 2 febroary 2016.

Maro ireo fotoam-bavaka, fandinihana, hetsika isan-karazany atao mandritra izany herin-taona mahery izany, izay manomboka indrindra amin'ny alim-bavaka ny asabotsy 29 novambra 2014 hametrahana eo am-pelatanan'Andriamanitra izany taona masina izany. Anisan'izany koa, ohatra, mandritra ny telo andro, 22-24 janoary, ao anatin'ny herinandron'ny firaisam-pinoana, dia hisy ireo fandraisana sy fifampidinihana amin'ireo olona miaina ny fiainana voatokana avy amin'ny finoana hafa. Hisy ihany koa ny 8-11 aprily 2015 ny fanofanana manokana ireo mpanabe mpanofana ary mpikarakara ireo miaina ny fiainana voatokana. Izany dia mba hahafahana mandinika lalindalina kokoa ny tena dikan'ny fiainana voatokana. Amin'ny 23-26 septambra dia hisy fikaonan-doha manokana ho an'ireo tanora izay miaina ny fiainana voatokana. Ary ny herinandro farany, ny 24 janoary - 2 febroary dia hisy ny herinandro manokana hankalazàna eran-tany ny fiainana voatokana ao anatin'ny firaisana sy fiombonana.

Ankoatra ireo daty lehibe voalaza ireo dia hisy isaky ny diosezy sy ny paroasy tsirairay ny fiaraha-mivavaka sy fiaraha-midinika mikasika ny Fiainana Voatokana mba hahazoan'ny Kristianina tsirairay ny dikan'izany fiainana izany sy handrehitra ny antso any amin'izay manam-paniriana ihany koa ny hiaina izany fiainana izany.

Naseho tamin'ny volana oktobra 2014 teo ny sary famantarana ofisialy ho an'ny taona ho an'ny Fiainana Voatokana. Sary izay nataon'ny mpanao hosodoko iray Carmella Boccasile, ahitana indrindra ny endriky ny voromailala izay miendri-tsoratra arabo midika hoe "fiadanana" sy kintana telo eo ambony rano ary bola raozy mena eo amboniny. Famantarana maromaro mampiseho ireo endriky ny Fiainana Voatokana.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1094