Papa Fransoà: Mandraisa anjara amin'ny politika

Tokony handray anjara mavitrika amin'ny fiainan'ny fireneny tsirairay ny Katolika hoy ny Papa ny marainan'ny 16 septambra nandritra ny lamesa tao amin'ny Santa Marta tao Vatican. Tamin'ny toriteny fanaony isa-maraina amin'ny lamesa ao amin'ny lasapely Santa Marta ho an'ny mpiasa ao Vatican no nanambaràny izany. Io maraina io tokoa mantsy dia mikasika ilay Kapiteny izay niangavy an'i Jesoa hanasitrana ny ankizilahiny no vakiteny natolotry ny Fiangonana. Ity kapiteny ity dia mamy hoditra tamin'ny vahoaka ka nahatonga azy ireo tsy nisalasala nilaza ny tsara momba azy tamin'i Jesoa. "Mendrika hanaovanao izany izy, fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagogantsika aza". 

Ny politika hoy ny Papa, izay fiahiana manokana ny firenena sy ny fiaraha-monina, dia anisan'ireo asa fanompoana lehibe indrindra ka tokony tsy hiraviravy tànana amin'izany ny Kristianina.

Ny tsy fandraisana anjara amin'ny raharaham-pirenena, hoy ny Papa, dia fialàna andraikitra sy finiavana mikimpy manoloana ny trangam-piainan'ny fiaraha-monina amin'izao fotoana izao. Adidin'ny kristianina ny mivavaka ho an'ny mpitondra sy ireo izay manana andraikitra. Manao izay tsara azo atao rehetra mba hahatsara ny fitantanana ny firenena.

Tsy adinon'ny Papa koa anefa ny niteny ny adidin'ireo izay eo amin'ny fitondrana. Ny fahefana omena ny mpitondra, hoy izy, dia fahefana tokony hivaly fitiavana. Ny fanoitra lehibe tokony hanentana ny mpitondra dia tsy misy afatsy ny fitiavana ny vahoaka sy ny fireneny. Ary ny mpitondra izay tsy tia ny vahoaka dia tsy afaka hiasa araka ny tokony ho izy ka tsy haharitra. Tsarovy i Davida hoy ihany ny Papa: tiany loatra ny vahoakany ka tamin'ny fahotàna nataon'ny vahoakany dia izy mpanjaka indray no nifona tamin'Andriamanitra sy nangataka mba hosaziana, fa ny vahoaka kosa hamindràna fo.

Fanontaniana tokony hipetraka lalandava ao antsain'ny mpitondra, hoy ny Papa namarana azy, ny hoe "tiako ve ny vahoakako?".. "Hatraiza ny fitiavako azy?". 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01