Fivorian'ny Karitasy tao Nairobi

Nanao antso avo Karitasy afrikana ho fanampiana ny Repoblikan’i Sentrafrika. “Maneho ny tsy fankasitrahanay izahay manoloana ny fijaliana iainan’ny vahoaka sivily tsy manantsiny ao amin’ny Repoblikan’i Sentrafrika.” Hoy ireo mpandray anjara tamin’ny fihaonan’ny Mpitantsoratra sy ny Talém-piren’ny Karitas amin’ny faritr’i Afrika, tao anatin’ny fanambarana izay nataony.

“Derainay ary tohananay ny ezaka feno fahasahiana sy fahendrena asehon’ny Fiangonana mba hamerina indray ny fanantenana ho an’ireo vahoaka izay miaina anaty fijaliana, sy mba hisakanana ny fiitaran’ny krizy ka tsy hahatonga azy ho lasa adim-pinoana sy adim-poko.” hoy ihany ny fanambaràna.

Ny Karitasy afrikanina, ankoatra ny fanamafisany ny fiombonana amin’ny vahoaka Sentrafrikana, dia manao antso ho an’ireo vondrona iraisam-pirenena (Ny firenena mikambana, ny vondrona Afrikana, ny vondrona eoropeana sns) mba handray ny “fitarainana nalefan’ny Fiangonana sentrafrikana ka hampiato avy hatrany izao toe-javatra izao.” Angatahany ihany koa ny Eveka izay mivory any Kinshasa ny 15 jolay mandritra ny fihaonana an-tampon’ny SECAM na ny Fihaonan’ny Fivondronan’ny Eveka manerana an’i Afrika sy Madagasikara, mba handinika io zava-misy io miaraka amin’ireo eveka ao an-toerana ka hamela ny karitas handray ny andraikiny hanao ny fanangonana fanampiana mba hamonjena ny vahoaka.

Marihina moa fa tao Nairobi ny 1 ka hatramin’ny 5 jolay no nanaovana izany fihaonan’ny tompon’andraikitry ny Karitas afrikanina izany.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0928