Fihaonan'ny Papa tamin'ny seminarista

Nihaona tamin’ny seminarista sy ny novisy maro eto Roma ny Papa ny 6 jolay lasa teo. Nandritra izany no novoaboasany ny tokony ho endriky ny fanokanan-tena izay tokony hiroborobo sy hahavokatra. Pretra sy relijiozy manana fiainana mirindra. Izay no lohahevitry ny toriteny nataony nandritra ny adin’ny iray latsaka fahefany ho an’ny seminarista sy novisy miisa 7000.

Notsikerain’ny papa ho anisan’ny tena zava-doza tamin’izany, ny toe-tsaina zatra manao kitoatoa sy peta-toko. Sarotra dia sarotra ny mametraka safidim-piainana mazava amin’izao fotoana izao hoy izy. “Ankehitriny dia isika no lasibatr’io toe-tsaina zatra manao kitoatoa io” hoy ihany ny Papa rehefa nampatsiahy ny olana misy iainan’ny manokan-tena izy.

Nolazain’ny Papa avy eo fa tokony hiaina anaty fifaliana ny pretra sy relijiozy. Fifaliana izay tsy avy amin’ny harena na fialam-bolin’izao tontolo izao fa avy amin’ny fifandraisana am-po amin’ny hafa sy amin’Andriamanitra. Dia notohizan’ny Papa Fransoa ihany hoe “Tsy misy fahamasinana hita ao anatin’ny alahelo”.

Nanentana ny seminarista sy novisy hiaina anatin’ny fahamarinana ihany koa ny papa. “Anisan’ny mahakivy ny tanora amin’izao fotoana izao indrindra, hoy izy, dia ny mahita ny pretra sy relijiozy izay tsy miaina ao anaty fahamarinana.” Ireo relijiozy zokiny, anatin’izany ny tenany, no tokony ho ohatra velona hoy izy. “Tokony ho hitan’ny hafa taratra eo amin’ny fianantsika ny fahamarinan’ny evanjely”. Anisan’ny manampy amin’izany ny fanetren-tena milaza ny marina rehefa mikofesy ka tsy manafina ny hadisoana vita.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096