Arsidiosezin'Antsiranana - Interview Fikambanana relijiozy FILLES DE MARIE de la Réunion

FIAINANA VOATOKANA - MANOKANA NY TENA HO AN'ANDRIAMANITRA,
mety ho voaantso koa ianao???

Ao anatin'ny herinandro famaranana ny taonan'ny voatokana izao, ka misy ny fihaonana sy fiombonana maneran-tany any Roma ho an'ireo voatokana. Misy solon-tena 6000 eo ho eo no mandray anjara amin'izany, nosokafana nanomboka ny alakamisy 28 janoary ka hifaranana amin'ny sorona masina miaraka amin'ny Papa Ray Masina amin'ny andro hankalazana manetriketrika ny Nisehoan'ny Tompo tao an-tempoly dia ny 02 Febroary.

Misy ireo fikambanana miasa amin'ny diosezin'Antsiranana mba anatin'izay mamonjy ny fihaonana, koa ho entintsika ambavaka mba ho taratry ny fahazavan'i Kristy tokoa izy ireo, ho taratry ny famindrampon'Andriamanitra.

Ankafaliana no anolorana amintsika ny INTERVIEW FANAZAVANA FOHIFOHY mikasika ny fikambanana FILLES DE MARIE de la Réunion

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098