Tatitra CEM 2008

“IZAHO NO LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA” Jo 14,6

TATITRA AVY AMIN'NY FIVORIANA ISAN-KERIN-TAONAN’

NY FIVONDRONAM-BEN’NY EVEKA ETO MADAGASIKARA

Novambra 2008

Faly miarahaba antsika mianakavy, ato anatin'ny taom-pahasoavana ankalazana ny faha-2000 taona nahaterahan'i Md. Paoly izao.

Isaky ny volana Novambra , dia mivory ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara . Fotoan-tsarobidy ho an’ny Eveka izany satria ahafahany mitodika ny lasa sy mijery miaraka ny hoavin’ny Fiangonana .

Marina fa efa nisy ihany fotoana nihaonanay :ny 16 Desambra 2007, fanamasinana ho eveka an’i Mgr Rosario VELLA tany Ambanja ; ny 06 Jolay fanamasinana an’i Mgr Roger Victor RAKOTONDRAJAO tany Mahajanga , izay nifanojo tamin’ny tso-drano hoan’ireo Tanora solontenantsika hamonjy JMJ tany Sydney ; ary teo koa ny fivorian’ny Komity Maharitra nifampizarana ny fomba hiainana ny Rafi-panaovaozana ny Fampianarana naroson’ny Fanjakana.

Fihatahana masina teny Andralanitra /Akamasoa no nanombohanay ity fihaonana farany ity . Mankasitraka manokana ny Ankohonampiainan’i Mompera Pedro izahay. Fa hay mety ho tanteraka ny fandrosoana rehefa samy tsara sitrapo

Fiofanana ara-pastoraly no nanohizana ny fihaonana : mahakasika ireo fivavahana tsy kristianina.

Tamin’ny fifampizarana isan-karazany (tatitry ny arsidiosez efatra ) no nahatsapanay fa :

eo amin’ny lafiny Fiangonana

- miombona amin’ny eran-tany ny Fiangonantsika : nandray anjara tamin’ny Kongresy Eokaristika faha-49, tany Québec ; namonjy ny Sinaodan’ny Eveka , faha-12 , momba ny Tenin’Andriamanitra tany Roma . Ary manohy ny fiombonana miara-mankalaza ny Taonjobily Md Paoly.

Teto an-toerana : ao ireo diosezy nankalaza ny faha-50 taonany . Teo indrindra ny Arsidiosezin’Antananarivo , nanao ny Sinody ka ny lohateny nohalalinina dia ny Fanabeazana, ny Fampivoarana, Fanatontoloana . Rariana hitera-boka-tsoa hoan’ny rehetra izany .

-Lafiny fiaraha-monina: marary ny fiaraha-monina , mihamahantra ny fianakaviana, mihamahazo vahana ary mitombo ny hala-jaza sy ny taola-paty sy taova mbamin’ny fanaranam-batana ateraky ny fizahan-tany tsy voafehy. Tsy misy vaha olana mahomby ny doro tanety sy ny ady amin’ny dahalo, na an-tanan-dehibe na ambanivolo .

Izany indrindra no manosika anay hanoratra Taratasy izay haompana indrindra amin’ny Fianakaviana, satria ny fianakaviana no iantefan’ny voka-dratsy sy mizaka ny tsy eran’ny aina rehetra. Dieny izao, dia mampirisika ny tsirairay izahay hiara-miasa amin’ireo Vaomiera episkopaly ho fiarovana ny aina ka hampanjariana ny EVA (Education à la Vie et à l’Amour = Fibeazana Miaina sy Mitia) . Isaorana ny Vaomiera niara-niasa fa io no paika iadiantsika ny SIDA .

Tsy hadinonay koa ny Tohin’ny Sinody momba ny Pretra nataontsika taon-dasa, ary maro no miandrandra ny taratasy fanentanana.

Ny amin’ny fanabeazana: hamafisinay fa tokony hikendry ny hivoaran’ny olona manontolo sy ny soatoavina miaraka aminy ny ezaka fikarohana sy fanatsarana ny rafitra ajoro . Izay mirotoroto no mety ho latsaka an-kady. Ka fanavaozana voasedra fa tsy andrakandrana no hitaizantsika ny fara aman-dimby.

Tohizina ny soa fa i Jesoa Kristy ihany no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.

Tsy miolonolona ny Fiangonana Katolika fa vonona hifanakalo hevitra sy hiara-miasa amin’ny ireo ankolafin-kery mikendry ny soa iombonana. Maro ny asa efa sahaniny amin’ny diosezy tsirairay avy. Fa tokony hiombona bebe kokoa eo amin’ny firenena manontolo.

Hataontsika zokiny amin’ireo ezaka ny firaisan-kina, ny fandavana fitiavan-tena tafahoatra sy ny fanompoan-karena.

Meteza àry isika hoentanin’ny Fanahy sy hiombona amin’ireo tanora hankalaza ny JMJ MADA any Toliary : “Tanora katolika ankaherezin’ny Fanahy Masina, ka mampihavana sy mampiombona ny olona rehetra ao amin’i Kristry”.

Tsy mifanalavitra amin’izany loha hevitra noraisin’ny tanora izany koa ny Sinaodin’i Afrika izay hankalazaintsika: fihavanana, fahamarinana, fiadanana.

“Tano mafy ny finoana noraisintsika (cf. 2 Tim 1,13)

Finoana sy fanantenana ary fitiavana no entintsika mankalaza ity taonan’ny Md Paoly ity. Ankinintsika amin’i Masina Maria Mpanjakavavin’i Madagasikara ny ezaka iarahantsika manao .

Ary dia efa mirary soa sy fanambinana antsika rehetra ho tratry ny Noely sy ny Taom-baovao.

 

 

Ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1043