Hafatry ny Eveka, Novambra 2013

“Tompo ô !...Ianao no manana ny Tenin’ny fiainana mandrakizay.” Jn. 6,68

Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanana.

Tonga eto am-pamaranana ny Taonan‟ny Finoana isika mianakavy, ary mankalaza ny faha-75 taonan‟ny Baiboly Katolika Malagasy; ka velom-pisaorana  an‟Andriamanitra. Tsy mitsahatra ny Papa François mampirisika sy mitantana antsika amin‟ny fiainam-baovao isan‟andro;   indrindra ho an‟ny fianakaviana sy ny fikolokoloana ny tanora amin‟ny “fampijoroana ny Eglizy mahantra ho an’ny mahantra” ary tsy manary ny olombelona rehetra.  Ankasitrahana be dia be koa isika, fa nijoro na dia maro aza ny sedra-piainana sy sedra-pinoana mampitsoaka an-daharana. Tsy mitsahatra ny mitady ny antson‟Andriamanitra isika.

Anisan‟ny nisongadina teo amin‟ny fiainam-pirenena ny fifidianana. Deraina manokana ny ezaka vitantsika izay mampisy fanantenana hahatsara ny ho avy.

Ny Tontolom-piainantsika.

  • Maneran-tany dia mitombo tsy miato ny hantsana eo amin‟ny fari-piainan‟ny zanak‟olombelona. Manompo sarin-janak‟omby volamena indray ny mpanankarena sy mpomba azy, hoy ny Papa Ray Masina François. Tsy mampiraika intsony ny loza sy famonoana ain‟olona maro etsy sy eroa.
  • Ho antsika Malagasy dia niseho tamin‟ny endrika manokana izany tamin‟ny fifidianana filoham- pirenena fihodinana voalohany teo. Mahazo laka tanteraka ny fifanaratsiana sy fifanavakavaham- pihaviana  sy  foko  ary  ny  fividianana  ny  safidim-bahoaka  amin‟ny fananam-bola  sy  harena. Nampitampim-bava ny vahoaka   any ambanivohitra ny fampiderana fiara tsy mataho-dàlana sy fitaovana sarobidy isan-karazany toy elikoptera. Hay nisy volabe ihany ka nahoana no tsy nanasoavam-bahoaka hatramin‟izay?
  • Miavaka  roa  ny vahoaka  malagasy,  dia  ny mpanefoefo  manontany ny  ory,  sy ny sahirana milomano amin‟ny fahantrana.  Tsy mandry fahalemana  ary tsy voaaro intsony ny vahoaka maro an‟isa; miroso mankany amin‟ny Fanjakan‟i Baroa sy didin‟ny besandry ny fiaraha-monina.

Fa dia nahoana loatra!

  • Ny  fanatontoloana  dia  manao  tery  vay  manta  amin‟ny  fampiharana  ity  miralenta  ity. Fampitovian-jo no andrandraina kanefa ny fototry ny maha-olona araky ny naharian‟Andriamanitra azy mihitsy no zimbazimbaina, ka zary mampivarina ny lalam-pitondran-tena mitarika any amin‟ny fanapotehana ny aina.
  • Nohitsakitsahina ny   Soatoavina Malagasy eo amin‟ny fanajana ny Fihavanana tena izy, izay miorina amin‟ny tantaram-pirenena sy ny kolon-tsaina ary ny toe-karena, fa ny vola no terena hanjaka hatraiza hatraiza, ka tonga hatrany amin‟ny fangalarana taova  sy taola-paty mihitsy aza.
  • Maro ireo midongy seza ka misakana ny fifandimbiasam-pahefana. Ny tanindrazana mihitsy no viraviraina sy ifandrotehana, fa tsy notompoina hampiadana.
  • Manampy trotraka ny fanararaotam-pahefana ataon‟ireo vondrona iraisam-pirenena mahita ny fahalementsika. Vokany, rotidrotika ny fihavanana ka tsy afaka mifandamina intsony ny samy Malagasy.
  • Ny mahagaga koa dia ny fivavahana indray izao no atao tohatra hahazoana seza sy fitondrana. Mampiteny ny moana!

“Mahaiza miaina am-piadanana ary manatanteraka tsara ny asanareo” (1 Tes 4, 11)

Tsy maintsy hiroso amin‟ny fiainam-baovao isika, fa mamono tena sy mamotika tanindrazana, ary mandrava firenena raha sanatria mbola mitohy izao zava-misy iainantsika izao.

Mitodika  aminareo  mpirotsaka  ho  amin‟ny  fitondram-bahoaka  isan‟ambaratongany  izahay:

ianareo ho solombavam-bahoaka sy ho filoham-pirenena.

  • Aza atao am-paladia ny fiandrianam-pirenentsika. Aza mivarotra tanindrazana. Lolohavy an-tampon‟ny loha ny tena Fihavanana marina.
  • Katsaho  mandrakariva  ny  soa  iombonana  ka  aza  atao  tahom-boanjo  nahitana ny vahoaka Malagasy;  rehefa nahazo toerana ianareo dia hadino ny fampanantenana natao azy, fa ny mpiray antoko na fihaviana na fianakaviana no tompon‟ny tombotsoa rehetra.
  • Anisan‟ny lohalaharana  ny  fanasitranana  ny  ratra  vokatry  ny  krizy  ka  hanao  vain-dohan- draharaha ny fametrahana fanjakana tandalàna antoky ny fandriampahalemana sy fampivoarana ny vahoaka ao anatin‟ny rariny sy ny hitsiny. Atombohy aminareo eo amin‟ny fitondrana ny fanesorana ny toe-tsaina manavakavaka sy ny fiheverana ny sasany ho ambany. Adidinareo ny manome fanabeazana ny vahoaka ho olom-pirenena feno.
  • Maika ihany koa ny hahatomombana ny fanadiovana ny tontolon‟ny fitsarana sy ny mpitandro filaminam-bahoaka hamerina indray ny fifampitokisana.
  • Anjaranareo  ny  miaro  ny  harem-pirenana  sy  ny  mijery  ny  fitsinjarana  azy  ara-drariny hampivelatra ny mahaolona manontolo sy ny olon-drehetra hiadanan‟ny vahoaka Malagasy.

Mitodika amintsika vahoaka izay tena tompon’ny fahefana eto amin’ny Firenena :

  • Fantaro fa tsy hisy izany fiorenam-pirenena matotra hampiadana izany, raha tsy voaorina ny tena fihavanana   andrianintsika, ao anatin‟ny fifankatiavana marina tsy misy fihatsaram-belatsihy. Maro samihafa ny fomba amam-panao (fomba fiteny, ohabolana, ny fomban-tany ….) fa harena ho antsika ny fahasamihafana raha haintsika ny manaja sy mampiasa azy ho entina mandrava ny fanavakavahana.
  • Aoka ho sahy hanaja ny hasin‟ny aina sy ny fahamarinana isika, tsy ho mora roboka amin‟ny fihetsika tsy voalanjalanja, toy ny fitsaram-bahoaka sy fandrobana samihafa ary ny kolikoly sy ny tsolotra.
  • Manana adidy isika hiaro sy hikolokolo ny tontolo iainana izay tena simba tokoa ka mitera-doza amin‟ny fiainantsika andavanandro. Jereo ny toe-tany sy faritra maro:  tsy mirindra intsony ny rotsa-korana… maty ny tantely sy ny biby madinika mahasoa isan-karazany ka mandrava ny rindran-damina voajanahary.

Izao no andro fiovàna

Manana  adidy tsy azo ialàna isika mianakavy ka „ndeha hifanolo-tànana amin‟ny fanorenana ny ampitso, tsy ho babon‟ny akanga tsara soratra, ka hanary ny fahendren-drazana; tsy ho taitran‟ny doka sy varotra,  ka hanary ny finoana itafiana.  Tohizintsika  hatrany iny vavaka fangatahana Fandriam- pahalemana iny.

Hankalaza an‟i Kristy Mpanjaka isika ary mamarana ny Taonan‟ny Finoana.  Antso sy iraka manokana ho antsika ny fibebahana, ny fandalinana, fankalazana sy hetsika rehetra notanterahina tamin‟iny taona iny. Fanomezan‟Andriamanitra ho antsika ny Papa Ray masina Joany faha-XXIII ( Konsily  Vatikana  II),  sy  Joany  Paoly  faharoa  (Katesizin‟ny Fiangonana  Katolika  sy  JMJ)  izay hatsangana  ho  olomasina  amin‟ny 27  avrily  2014.  Hofohazintsika  indray  ireo  lova  masina  maro nampianarin‟izy ireo momba ny fiainam-pianakaviana sy ny tsy maintsy ho fahasahianareo tanora, tsy hatahotra ny handray an‟i Jesoa ho namana hampita amin‟ny tena fiainana. Koa hifanao soroka miara- milanja  isika,  ary  handray  anjara  amin‟ny  fandalinana  sahady  ireo  fanontaniana  maro  entina hanomanana ny sinaody momba ny pastoralin‟ny fianakaviana. Aza miroaroa saina, fa raisintsika am-po indray ny tenin‟i Md. Piera, ka hiara-mandroso lalindalina tokoa hoe: “Tompo ô! hankany amin‟iza moa izahay, Ianao no manana ny Tenin‟ny fiainana mandrakizay”. (Joany 6,68).

Dia mitso-drano anareo izahay Evekanareo.

Natao teto Antananarivo anio 17 novambra 2013

Andro fankalazana ny faha-75 taonan‟ny Baiboly katolika Malagasy.

 

1.   Mgr TSARAHAZANA Désiré, Arsevekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka

eto Madagascar

2.   Mgr RAMAROSON Marc Benjamin, Evekan’i Farafangana, Filoha lefitra

3.   Mgr RANAIVOMANANA Philippe, Evekan’Antsirabe, Sekretera Jeneraly

4.   Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène, Arsevekan’Antananarivo

5.   Mgr MALO Michel,  Arsevekan’Antsiranana

6.   Mgr RABEONY Fulgence, Arsevekan’i Toliary

7.   Mgr RABEMAHAFALY Fulgence, Arsevekan’i Fianarantsoa

8.   Mgr TOASY Armand,  Evekan’i Port-Bergé

9.   Mgr ROSARIO Saro Vella, Evekan’Ambanja

10. Mgr RAKOTONDRAJAO Roger Victor, Evekan’i Mahajanga

11. Mgr SCOPELLITI Antoine, Evekan’Ambatondrazaka

12. Mgr DI PIERRO Gaetano, Evekan’i Moramanga

13. Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana

14. Mgr BOMBIN ESPINO Gustave, Evekan’i Tsiroanomandidy

15. Mgr RANDRIANARISOA Jean Claude, Evekan’i Miarinarivo

16. Mgr RAKOTONARIVO Fidelis, Evekan’Ambositra

17. Mgr CAIRES DE NOBREGA José Alfredo, Evekan’i  Mananjary

18. Mgr RAZAKARIVONY  Fulgence, Evekan’Ihosy

19. Mgr RAKOTOZAFY Vincent, Evekan’i Tolagnaro

20. Mgr ROBASZKIEWICZ Zygmunt, Evekan’i Morombe

21. Mgr RAHARILAMBONIAINA Marie Fabien, Evekan’i  Morondava

22. Mgr Georges VARKEY, Eveka Coadjuteur Port-Bergé

23. Mgr RAOELISON Jean de Dieu, Eveka  Mpanampy Antananarivo

24. Mgr RANDRIAMBOLOLONA Philibert, Archevêque Emérite de Fianarantsoa

25. Mgr RAZAKARIVONY Raymond, Evêque Emérite de Miarinarivo

26. Mgr ZEVACO Pierre, Evêque Emérite de Tolagnaro

27. Mgr PELLETIER Donald, Evêque Emérite de Morondava

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126