Hafatry ny Eveka Aogositra 2011

“JESOA TOMPO Ô, NY HERIN’NY TENINAO ANIE HANOVA NY FIAINANAY…. »


Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’ny Tompo.


Nivory ara-potoana araky mahazatra ny Filan-kevitra maharitry ny Eveka amin’izao volana Aogositra izao. Niara-paly izahay nahita ny Baiboly Katolika vita amin’ny endrika vaovao ary amin’ny dikateny voarindra tsara. Isaorana manokana ireo rehetra angady nanana sy vy nahitana ka nahatomombana ny fanontana azy. Tsapanay fa tsirim-pahazavana lehibe ho antsika Malagasy rehetra ny fahavitany, indrindra amin’izao fotoana matroka lalovan’ny firenena izao.

Marary ny Firenena…

Iarahantsika mahita tokoa fa tsy tan-dalana intsony ny maro, mahazo vahana ny herin’ny vola tsy misy  hasiny ny aina : tena marary mafy ny Firenena. Nohalavirina ny lalàn’Andriamanitra, tsy voahaja ny zava-masina hany ka very ny fanahy maha-olona, rava ny fihavanana, mahantra tanteraka ny vahoaka sady mandry tsy lavo loha isan’andro .

Vokatr’izany, mitsiry etsy sy eroa ny hevitra samihafa mahasanganehana ny maro, mampisarambazana sy mampivily hiala amin’ny marina, manakorontana ny sain’ny kristianina. Misy ireo milaza mahita fisehoana na mahazo fanomezana hanasitrana ary lasa fitaovana fitadiavan-karena ho an’ny sasany izany. Noho ny fahasahiranana sy fahantrana dia mora roboka amin’io velam-pandrika io ny tsy manan-tsiny.

Tsy manamaivana izay mety ho fahitana na fisehoana izahay fa mampitandrina antsika kosa sao mifono zavatra hafa mety hanapotika ny hasina maha-olona ary hanimba ny finoana.

Ny marina no maha-olona afaka

Na eo aza anefa izany “ny marina tsy mba maty “, hoy ny Razantsika ary ny Tenin’Andrimanitra milaza fa ny “Marina no maha olona afaka antsika” (cf Jn 8,32). Hita taratra amin’ny sehatra samihafa ireo olona mijoro amin’ny marina,  tsara sitrapo, mitazona ny fanahy maha olona sy ny finoana, vavolomben’ny maha-kristiana sy ny maha-malagasy azy ka tia fihavanana, tsotra sy malemy fanahy. Miaina ary miezaka manabe ny taranany izy ireo amin’ny fanajana ny soa iombonana, amin’ny fitiavam-bavaka ary mandray andraikitra amin’ny fiaraha-monina. Fanantenana lehibe ho antsika izany

Lalana mitondra antsika amin’io fanantenana io ny fibebahana. Ny mibebaka dia manaiky sy miaiky ny marina, miaiky heloka, vonona hihavana tokoa ary miala amin’ny fitiavan-tena. Koa mibebaha raha tiantsika handroso marina ity Tanindrazantsika ity.

Ny Teniko no fiainana…

Miara-misaotra an’Andriamanitra isika satria efa nafafy teto Madagasikara ny Tenin’Andrimanitra: hatramin’ny 175 taona no tonga tany Ste Marie, 170 taona tany Nosibe Hellville, 150 taona tao Antananarivo…. ary namokatra.  Tsy nitandro hasasarana ireo Misionera nitondra ny Tenin’Andriamanitra ary ankehitriny manohy izany ny toko telo mahamasanahandro: pretra, relijiozy, lahika …. Fanantenan’ny Fiangonana koa ny mahita ireo tanora marobe miaraka amin’ny Papa mandinika ny Tenin’Andriamanitra any Madrid-Espagne (16-21 Aogositra 2011) mandalina ny lohahevitra hoe : “Mamahara tsara sy miorena ao Aminy ianareo…Hohamafisin’ny Finoana” (Kol 2, 7)

Koa entanina isika vita batemy hanome lanja ny Tenin’Andrimanitra satria “ Tsy ny mofo ihany no mahavelona fa ny Teny aloaky ny vavan’Andriamanitra” (Mt 4, 4)

Indro atolotra antsika ny Baiboly Masina vaovao. Raiso, vakio,halalino, iaino sy ampanjakao amin’ny fiainana andavanandro.“Raha mitoetra aminareo ny Teniko dia hamokatra be ianareo sy ho tonga Mpianatro…” (Jn 15,7)

Hivavaka ho antsika anie Masina Maria Mpiaro voalohany ny Nosintsika ary Modely amin’ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra.

Mitso-drano anareo àry izahay Eveka.


Antananarivo,  11 Aogositra 2011

Ny Filan-kevitra Maharitry ny Eveka.


Mgr RABEMAHAFALY Fulgence, Président

Mgr TSARAHAZANA Désiré, Vice-Président

Mgr RANAIVOMANANA Philippe, Secrétaire Général

Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène, Archevêque d’Antananarivo

Mgr RAMAROSON Marc Benjamin, Evêque de Farafangana

Mgr RAKOTONDRAJAO Roger Victor, Evêque de Mahajanga

Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, Evêque de Fenoarivo Atsinanana

Mgr ROBASZKIEWICZ Zygmunt, Evêque de Morombe

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1364