FANAMBARANA NATAON i MGR ODON RAZANAKOLONA

FANAMBARANA NATAON i MGR ODON RAZANAKOLONA ARSEVEKAN’ANTANANARIVO

Namatra-pialana tsy hanohy intsony ny fifampidinihina aho tamin’ny alarobia 25 febroary 2009 satria tsy feno ny fepetra ilaina hahatomombana ny fihaonana. Niverina indray aho telo andro taty aoriana noho ny fiangaviana avy ao amin'ny Firenena mikambana mba handraisako indray io andraikitra io. Nametraka ireto fepetra ireto aho izay nankatoavin'ny rehetra teo anatrehan'ny solotenan'ny Firenena mikambana.

1- Ajanona ny fanenjehana, ny fisamborana, ny fitifirana sy ny famonoan'olona

2- Avela haneho hevitra malalaka ny vahoaka

3- Avela malalaka hanao ny asany ny haino aman-jery rehetra mba hampahafantatra ny vaovao marina sy ny zava-misy.

Ankehitriny dia tsapako fa tsy misy tanteraka ireo fepetra ireo ary maika miha-mahery vaika aza ny zava-miseho toy ny teny Antaninarenina ny 7 febroary sy ny fampiasana fitaovam­piadiana mahery vaika toy ny blindé ka nahafatesana olona maro teny Anosy ny 19 febroary, dia ireto ny zava-mitranga ankehitriny:

1- Eto andrenivohitra sy antanan-dehibe

a)- Sakanana ny fanehoan-kevitra sy ny fihetsiketsehana rehetra ;

b)- Ampihorohoroana ny vahoaka amin'ny alalan'ny fanapoahana fitaovam-piadiana na any anelakelan-trano na any amin'ny faritry ny sekoly na any amin'ny toeram-pitsaboana ; ary tsy vitsy ireo voatifitra namoy ny ainy na naratra.

d)- Enjehina sy samborina ary ampijaliana izay rehetra mitady haneho hevitra.

e)- Etsy andaniny sembantsembanina sy ajanona ireo haino aman-jery milaza ny zava­misy amin'ny vahoaka; etsy ankilany anefa mahazo vahana sy manao ny danin'ny kibony ny haino aman-jery hafa mandranitra sy mamporisika ny ady sy ny fifandonana .

2- Any ambanivohitra, manjaka ny herisetra sy ny vono olona amin'ny alalan'ny fitaovam­piadiana mahery vaika toy ny nahazo ny renim-pianakaviana mpandraharaha tao Arivonimamo sy ny famonoana ny ben'ny tanana tao Alarobia Antanamalaza.

Noho izany dia hamafisiko ny fanambarana efa nataoko

1- Ajanony ny herisetra sy ny famonoana olona

2- Ajanony ny fanenjehana sy ny fampihorohorona

3- lanareo mpitandro filaminana, aoka ianareo ho tena mpiaro marina ny vahoaka sy ny fananany;

4 - Ianareo tafi-bahoaka, tandroka aron’ny vozony, raiso ny andraikitrareo ; arovy ny vahoaka

5- Isika vahoaka, aoka hiray hina hametraka ny fandriampahalemana eo amin'ny faritra misy antsika.

Ny tenako kosa dia mbola vonona hanohy ny fanelanelanana hatramin’ny farany ; ary ankiniko amin'ny vavak'i Masina Maria mpiaro an'I Madagasikara sy ny fanilovan'ny Fanahy Masina ny ezaka rehetra ataontsika amin'ny famerenana indray ny fandriampahalemana mba hiadanan'nv vahoaka Malagasy manontolo..

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096