ARAHABA TRATRY NY ASARAMANITRA

Taona vaovao 2010 Arahaba tratry ny asaramanitra

-       Fa eo ianareo Ray aman-dreny maha-zanaka  

-      Ianareo zoky maha-zandry herin-tsandry,

-      ianareo zandry maha-zoky, mahatoky.

-      Ianareo tompon’andraikitra isan-tokony amin’ny fitondrana vahoaka na ankohonam-piainana sy fikambanana isan-tokony, fa indrindra isika mpitondra fivavahana tsy an-kanavaka.

 

-      Ianareo rehetra tsara sitrapo, vonona handray anjara amin’ny famonjena ity firenentsika ity -      Tsy hadino ianareo tsy salama, ianareo sahirana mafy amin’ny fiainana; ianareo any am-ponja,   any am-pigadrana any.

-      Ianareo izay any am-pita, lavitry ny Tanindrazana

-      Eny r’izy mianakavy

-       Tonga ity ny asaramanitra, dia ny taona vaovao, 2010 efa nandrasantsika hatry ny ela, koa arahaba e  . Arahaba tratry ny taona vaovao,tafita an’iny taona 2009 iny. Tsy maty fo aman’aina, nieren-doza amin’atambo. Arahaba e, fa na nisy aza ny tsy nety, dia niavosa ny fahasoavana amam-pamindram-po, avy amin’ny Ray Mpahary,

Homba antsika mianakavy anie ny Fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo

 

Miherina ity ny taona

 

Hiantso azy Tompo isika, arak’izay nambaran’i Jeremia Mpaminany, 3,14 sy 15 hoe : Miverena ry zaza mpiodina, fa izaho no Tomponareo…homeko mpiandry araka ny foko ianareo, izay hamahana anareo am-pahalalàna sy fahendrena.

 

Taon-dasa toy izao manko isika mianakavy no nifampiarahaba teto, nifampirary soa ary dia nisaotra ny Tsitoha, fa na teo aza ny raho-mainty efa nandindona   ny tany, dia mbola niandrandra ary tena nanantena , isika mianakavy , na salama na manavy mba ho tratry ny taon-ko avy. Tratra izany ka isaorana  Andriamanitra, tsy sasatra ny miantso antsika mba ho iray, hifamela sy hihavana . Tsy izao fa hatry ny ela no nanolorany ny Zanany hisolo heloka antsika. Isaorana Izy ilay tsy miova, fa dimampolo taona hika, ny fahaleovan-tenantsika. Taon-jobily fihavanana no antenaina hiaranana, hampiova ny ady seza ho taom-piadanana mateza.  

 

Isika anefa ankehitriny no manentsina tadiny ka ratrain-doza hatrany, manamatroka ny tany. Ataovy dian-tanalahy ny fiainana, todihina ny lasa, banjinina ny ho avy

Fa iny taona lasa iny :

Taona hafahafa, nampiady , nikorontana;

tsy nahay nifampidinika fa nifamaly bontana; 

taona feno tsaho, nisy lainga nisy fitaka; 

ary dia nisamatsamaka, ka niparitadritakaKoa manao antso avo. Ndeha hatao fihavanan-dandy, zay madilana tentenana.

 

Mijaly isika firenena, mahonena, fa efa io ny hakiviana.   Fa ho aiza e!  ity diantsika ity anie ka  mirona mankatsy. Toneo ny fo, hisaintsaina, fa mamono tena isika, aoka tsy hinia  mikimpy amin’ny làlana efa nahafaty  .

 

 Ndeha hampiasa fahendrena, toy ny razana fahiny, ka hifandray tanana, hifamela sy hihavana. Aoka izay ny hambom-po sy ny adilahy politika. Tsy ho avotra eto isika raha tsy miova, be tohika. Tsy manery fa miangavy antsika mianakavy fa rendrika ny firenena, latsaka ato an-katerena , fa miady ireo natao ho mpiandry ; miady seza sy somandry.

 

Koa mananatra e ! … . aoka e itsy , fa:

 

Hoy ny  tenin-drazantsika. “Ny vorona hono no manadino fandrika, fa ny fandrika tsy manadino vorona”, Aoka isika hiombom-po, hiombom-bavaka. Hangataka amy Zanahary, mpiandry sitraky ny fony, eny izay sitraky ny fony (Jer. 3,14-15); efa tsinjony any ambony, f’izao diavintsika izao , tsy kilalao. Ndeha hobanjinina ny hoa avy,..

Fa iny taona iny koa, taona nahitana soa. Taona masin-dRafiringa, nanarahany an-dRasoa; dia Rasoamanarivo olontsambatra andrandraina, hampifoha ny malaina,   olon-kendry sy nisaina.

Raha isika malagasy, tsy zoviana  fahendrena: efa manana, tsy foronina , tsy angano; ka aza ariana fa tohano, tohano vavaka mahery, fa tsy mahavita tena irery raha isika be lojika .

 Isika efa miombom-bavaka, mino an’i Jesoa iaraha-manana, ndeha   hangataka amin’Andriamanitra Ray be fitiavana naniraka io Zanany io ho antsika. Isika mianakavy hifampitantana, hifanampy, hanamafy hatrany hatrany ilay fihavanana tsy lany, fa tsy hiraviravy tanana. Dia hitsangana, hijoro, sy hamindra ho any aloha. Hanara-dia ireo zoky mahatoky, na ny anio na ny taloha, ndeha isika hiray hina. Ndeha horaisintsika an-tanana ity fiainantsika ity, miaraka amin’i Kristy.  “Fa raha tsy ny Tompo no manorina ny trano, zary miasa foana izay manorina azy. (Sal. 127,1)

Eny mino izany isika, koa “mitsangàna, … mandehana”. Izay no tenin’i Jesoa tamin’ilay malemy tsy afaka nampiarin-tena teo amoron’ny ranon’i Betesdà. (Jn. 5,8). Malemy isika ankehitriny, marary, rendrika ny firenena.

  Aoka ity volana ity hiombonam-po, hiombonam-bavaka, ho an’ny Firenena, ho an’ny Tanindrazana. Dia ho taon-jobilim-pihavanana, iaraha-manana. Fa ny dimampolo taona nitomboana, tsy iambohoana; fa hatrehina am-pitiavana ka tsy hifanavangavana.. Na,  filoham-piaraha-monina, na mpitondra fivavahana sy ny solotenantsika zay mpanao politika. Ndeha hifanome tànana, fa potraka ny tany, dia ny tany iaraha-manana. Ndeha isika hihavao, fa ny tontolo politika misavoana; ny tontolo iainantsika noana. Aina ity ka mila vonjy.

Ny tsodranon’Izy Tompo anie no hialoha lalan-dava, fa handray adidy isika, hihavana sy hifamela, mba hilamina ny taona. Ho salama tsy harofy, ho avin-taona mifandimby eto indray, ho tahin-Janahary, fa izay ady an-trano, aok’izay, fa tsy manjary.                                                                           

   Hoy ity mpanomponareo. + Mgr RABEMAHAFALY Fulgence

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1542