Hafatry ny Papa KAREMY 2009

Nampiditra : harilova
Daty : 26/02/2009

TARATASIN’NY PAPA BENOÎT XVI HO AN’NY KAREMY 2009

Ry Rahalahy sy Anabavy malala

Eto ampanombohana ny Karemy, izay lalana fanazaran-tena ara-panahy mavitrika, dia fombam-pivalozana telo tena mifanaraka amin’ny Baiboly sy ny lovantsofina kristianina no atolotry ny Litorjia antsika, : dia ny fivavahana, ny fiantrana, ny fifadiankanina. Izany no atao dia mba hiomanantsika hankalaza tsara ny Paka ka hahatsapantsika ny herin’Andriamanitra ; Izy, araka ny voalaza amintsika mandritra ny Veillée Pascale no « mandresy ny ratsy, manala ny ota, mampody amin’ny mpanota ny tsy fananantsiny, ny hafaliana amin’ny malahelo, mandrava ny fankahalana, mitondra amintsika ny fiadanana ary manambany ny avonavon’izao tontolo izao » (Annonce de la Pâques).Tiako hasongadina manokana ny tena lanja sy tena hevitry ny fifadiankanina amin’ity taratasy fanao mahazatra amin’ny karemy ity, Mampahatsiahy antsika ny 40 andro nifadian’i Jesoa hanina tany anefitra ny karemy, alohan’ny hanombohany ampahibemaso ny asa fitoriana. Izao no voasoratra ao amin’ny Evanjely « Nentin’ny Fanahy nankany anefitra i Jesoa, mba halain’ny demony fanahy, ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina izy, ka noana nony afaka izany (Mt 4,1-2). Tahaka an’ i Moizy, alohan’ny handraisany ny takelaka roa’ny lalàna (Eks 34,28), tahaka an’ i Elia, alohan’ny hifankahitany amin’ny Tompo tao antendrombohitry Horeba (I Mpanj. 19,8), tahaka izany koa i Jesoa, nivavaka sy ny nifady hanina izy hiomanany amin’ny fanirahana azy, izay niatomboka tamin’ny fifanetrehana henjana tamin’ny mpaka fanahy

Mety mametra-panontaniana isika manao hoe : ho antsika kristianina, inona no lanjany sy hevitry ny fifadiana zavatra tsara sy mety mahasoa ny fiainana ? Milaza ny Soratra Masina sy ny lovantsofina kristianina, fa tena fanampiana goavana hiala amin’ny fahotana sy amin’ izay rehetra mitarika any aminy ny fifadian-kanina. Izany no namerimberenana matetika ny fanentanana hifady hanina teo amin’ny tantaram-pamonjena. Efa hatreo amin’ny pejy voalohan’ny Soratra Masina ny Tompo no nandrara ny olona tsy hihinana ny voankazo voarara. « Nefa aza ihinananao ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa ho faty mihitsy ianao amin’ny andro ihinanao » (Jen 2,16-17). Izao no anazavan’i Md Md Basile an’io baikon’Andriamanitra io : « Tao amparadisa antany no nandidiana ny fifadiankanina » ary « Adama no nomena voalohany an’io didy io ». Ary dia faranany hoe : « Ny fandrarana hoe « tsy hihinana ianao » dia lalàna hifady hanina (Homélie sur le jeûne : PG 31,163,98). Noho isika vesaran’ny fahotana sy ny voka-dratsiny, dia ny fifadian-kanina no mampiverina ny fifankatiavantsika amin’Andriamanitra.. Toa izany no nataon’i Esdrasa talohan’ny handaozany ny sesitany ho any amin’ny Tany nampanantenaina, ka niantso ny vahoaka hifady hanina izy « mba hampijalianay tena eo anatrehan’Andriamanitra » (8,21). Nihaino ny fitalahoany Ilay Mahefa ny zava-drehetra ka nanome toky azy amin’ny fahasoavany sy ny fitahiany. Toa izany koa no nataon’ireo mponina tao Niniva ; nihaino ny antson’i Jonasy hibebaka izy ireo, ka niantso fifadiankanina ho mariky ny hatsoram-pony nanao hoe : « Ndrao mba avy ihany izay hanenen’Andriamanitra sy hitonenan’ny hatezerany mirehitra, ka dia mba tsy haripaka isika » (3,9). Teto koa, dia hitan’Andriamanitra ny nataony, ka notsimbiny izy ireo.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia hazavain’i Jesoa ny tena anton’ny fifadiankanina amin’ny fitsikerany ny fihetsiky ny farisianina izay nitandrina ara-bakiteny ny baiko apetraky ny lalàna, nefa lavitra an’ Andriamanitra ny fon’izy ireo. Averimberin’Ilay Mpampianatra marina fa ny tena fifadian-kanina, dia ny manatanteraka ny sitrapon’ny Ray any andanitra izay « mahita ny miafina ka hanome valisoa anao » (Mt 6,18). Manome ohatra amin’izany izy, tamin’ny namaliany an’ny Satana nony tapitra ny efa-polo andro nijanonany tany anefitra. « Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloakan’ny vavan’Andriamanitra » (Mt 4,4). Ny tena kendren’ny fifadiankanina izany dia ny hihinanana « ny tena sakafo » ; izany hoe ny fanaovana ny sitrapon’ny Ray ( Jn 4,34). Koa raha tsy nanaiky ny baikon’Andriamanitra « tsy hihinana ny voankazo ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy » i Adama, ny kristianina kosa dia mifady hanina hanehoany ny fanekeny an’Andriamanitra ampanetrentena ; ary miankina amin’ ny hatsarampony sy ny famindrampony

Zavatra niainana tokoa teo am-piandohan’ny fiangonana kristianina ny fifadiankanina (Asa 13,3 ; 14,22 ;27,21 ;2 Ko 6,5). Ireo Aban’ny Fiangonana koa dia nilaza ny herin’ny fifadiankanina ; mahasakana ny fahotana izy, mangeja ny fanirian’ny « olona tranainy » ary mampisokatra ny fon’ny mpino amin’Andriamanitra. Fomba fanao matetiky ny olomasina izay nanafatrafatra azy koa ny fifadiankanina. Nanoratra i Md Pierre Chrysologue hoe : « Ny fifadiankanina no fanahin’ny fivavahana, ny famindrampo no ain’ny fifadiankanina. Noho izany, izay mivavaka dia tokony hifady hanina, izay mifady hanina dia tokony hamindra fo ; tokony hihaino ny mpangataka izay te-hohenoina amin’ny fangatahany izy, dia hihaino azy koa Andriamanitra izay tsy malaina hihaino izay mitalaho aminy (Sermo 43. PL 52, 320.332)

Amin’izao androntsika izao, dia toa very hasina ara-panahy ny fifadiankanina ; amin’izao kolontsaina voasinton’ny ny fitadiavana ny hafinaretana ara-batana izao, dia toa zary fomba fanao hahametimety ny vatana fotsiny ihany ny fifadiankanina. Tsy isalasalana fa mahasoa ny vatana ny fifadiankanina ; ho an’ny kristianina anefa, voalohany indrindra, ny fifadiankanina dia « fitsaboana » hanasitranana izay sakantsakana rehetra tsy mampifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.Ao amin’ny Constitution ApostoliquePenitemini, 1966 no ilazan’ ny Mpanompon’Andriamanitra Paul VI, fa ny fifadiankanina dia tokony harindra ao amin’ny fiantsoana ny kristianina rehetra « tsy hiaina ho an’ny tenany intsony fa ho an’ilay tia azy sy nanolotena ho azy, ary koa ho velona ho an’ny rahalahiny » (cf. Ch 1). Mety ho fotoana hampiharana indray io soridalana nomen’ny Constitution apostolique io izao Karemy izao ; ka hametrahana amin’ny laoniny ny tena hevitra marina sy maharitra amin’ity asam-pivalozana fanao hatry ny ela ity, izay afaka hanampy antsika hamolaka ny fitiavan-tena ka hanokatra ny fontsika amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana ; io no baiko voalohany sady faratampony ao amin’ny Lalàna Vaovao, sady famintinana ny Evanjely manontolo (cf Mt 22,34-40)

Mbola mahatonga ny fanahy sy vatana hiombona tanteraka ao amin’ny maha-olona ny fizàrana hifady hanina, amin’ny fanampiana azy hiala amin’ny fahotana sy hitombo amin’ny fitiavana ny Tompo.. Nahafantatra tsara ny fitongilanany amin’ny ratsy izay nataony ho toy ny « vona mivorimborona sy misafotofoto » i Md Augustin. Nanoratra boky momba ny fifadiankanina izy L’utilité du jeûne ka hoy izy «Mampijaly tena aho,ary tena fijalina tokoa, fa mba hamelany heloka ahy ; mikapo-tena aho, mba hanampiany ahy, mba hafinaritra ahy eo imasony, mba ho afaka higoka ny hamamiany » (Sermon 400,3,3 : PL 40,708). Ny fifadiana ny sakafo ara-nofo izay mahavelona ny vatana no mandamina fahavonona ara-panahy hihaino an’i Kristy sy hivelona amin’ny tenim-pamonjeny..Ny fifadiankanina sy ny fivavahana no ahafahantsika mamela azy hampitony ny hanoanana lehibe henontsika ao anaty ao : ny hanoanana sy ny hetaheta an’Andriamanitra

Manampy antsika koa hahatsapa ny toe-javatra iainan’ny rahalahintsika ny fifadiankanina. Mampitandrina i Md Joany ao amin’ny Taratsiny Voalohany hoe : « Raha misy manan-karena amin’izao fianana izao, ka mahita ny rahalahiny mahantra, nefa mihirim-belona aminy ahoana no hitoeran’ny fitiavan’Andriamanitra ao aminy » (3,17). Ny mifady hanina antsitrapo no ahafahantsika manaraka ny ohatry ny Samaritana tsara fanahy, izay niondrika hamonjy ny rahalahiny mijaly (Deus Caritas est, 15). Amin’ny safidy ankalalahana hifady hanina mba hanampiana ny hafa no asehontsika mivantana fa tsy vahiny amintsika ny namana mandalo fotoantsarotra. Koa entanina ny paroasy sy ny kominoté, ny isambatan’olona hanao fifadiankaniana bebe kokoa mandritra ny karemy, ary dia hihatanjaka hatrany izany fahaizana mandray sy mihavana amin’ny namana izany. Ho tandrovina koa ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, ny fivahana sy ny asa fiantrana. Toe-piainana nanavaka ny ankohonana kristianina hatrany amboalohany izany ; nanao famoriambola manokana izy ireo (2 Ko 8-9 ; Rm 15,25-27) nasaina koa ny kristianina hanome an’ny mahantra izay voaangona avy amin’ny fifadiankanina (Didascalie Ap., V, 20,18). Na dia amin’izao androntsika izao aza dia tokony hiainana sy hamporisihina izany fomba fanao izany, indrindra mandritra ny fotoana litorjikan’ny Karemy

Mazava tokoa avy amin’izay rehetra voalazako izay fa fomba famolahantena lehibe tokoa ny fifadiankanina, fiadiana ara-panahy hanoherana ny firaiketam-po rehetra tsy ara-dalàna . Ny fihafiana antsitrapo amin’ny fankafizana ny sakafo sy ny zava-tsoa hafa eto antany dia manampy ny mpanara-dia an’i Kristy hibaiko izay mahaliana ny tenany osa noho ny fahotana tamin’ny fototra, ary mbola manenika ny maha-olombelona manontolo ny voka-dratsiny..Misy tonokira taloha anankiray ao amin’ny litorjian’ny Karemy namporisika toa izao : « Aoka hihafy bebe kokoa isika amin’ny fitenenana, ny sakafo, ny zava-pisotro, ny torimaso, ny kilalao, ary hotandremantsika kokoa ny fiambenana ».

Ry rahalahy sy anabavy malala, raha jerena tsara ny tena kendren’ny fifadiankanina,araka ny voasoratry ny Mpanompon’Andriamanitra Jean Paul II, dia ny hanampy antsika tsy irairay hanolotena tanteraka amin’Andriamanitra (Veritatis Splendor, 21).Koa aoka hasongadina eo amin’ny fianakaviana rehetra sy ny fiangonana kristianina manontolo ny fifadiankanina mba hanalavirana izay rehetra mampihahakaha-kevitra sy hanamafisana izay mahavelona ny fanahy ka hampisokatra azy amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Tonga manokana ato antsaiko ny firotsahana bebe kokoa amin’ny fivavahana, ny vakiteny masina, ny fandraisana ny Sakrametan’ny Fihavanana ary ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny Eokaristia, indrindra indrindra ny Lamesa amin’ny alahady. Ireo toepanahy anaty ireo no ahafahantsika manao ny fomba fivalozana mifanentana amin’ny Karemy. I Masina Maria fototry ny hafaliantsika anie hiara-dia amintsika, hitantana antsika amin’ny ezaka ataontsika hanafaka ny fontsika amin’ny fanandevozan’ny fahotana ka hahatonga azy hatrany ho « tabernakla velon’Andriamanitra » Dia sady mirary soa aho no mampanantena vavaka ho an’ny kristianina rehetra sy ny fiangonana tsy irairay mba hahafahan’ny rehetra mizotra ny lalan’ny karemy amim-pahombiazana ; ary dia mitsodrano anareo eram-po aho

Teto Vatican anio 11 desambra 2008

Benoît XVI,

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1665 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org