Md VINCENT DE PAUL - 27 septambra

27 SEPTEMBRE SAINT VINCENT DE PAUL

Teraka ny 24 Aprily 1851 i François de Paul. Nipoitra tamin’fianakaviana sahirana izy. Mpiandry kisioa ny asany. Nanapakevitra ny hanao Pretra izy ka lasa nanohy ny fianarany tany Toulouse sy toerana afa koa teo amin’ny faha 16 taonany.

Ny taona 1600 vao 19 taona izy tamin’izay no nohamasinina ho pretra. Nisedra olana izy ra nanao ny asa fitetezana tanana sy firenena maro nataony. Niaona tamin’ny Mpanjaka Henry 4 izy ary niasa tao andapanynandritra ny 2 taona, taorian’izay dia niasa tao Parisy nandritra ny fotoana maro. Teo amin’ny faha 36 no nahatsapany fiovana lehibe teo amin’ny fiainany satry niaona tamin’mahantra iray izy ra nampikônfesy azy. Nilaozany ny harena. Niezaka izy ny ho masim-pitondrana tena teo amin’ny fiarahamonina. Nanorina fikambanana izy, dia ny fanasoazvana ny mahantra sy ireo sahirana. Tonga maro ireo nanaradia azy ary ankehitriny dia ireo fikambanana antsoina hoe Lazarista izany. Niasa mafy I François de paul ka nanorina fikambanana afa iany koa izy dia ny Fille de la charité sy ny Damme de Charité. Be fanetre-tena izy ary tsy nitandro hasasarana tamin’ny fikarakarana ireo olona. Ny taona 1639 dia tany amin’ny tobin’ny tobin’ny ady tany Laurene I Vince de Paul mba hitondra fanampiana ireo naratra sy ambavahoanan’ny fahafatesana, tsy nitsahatra nifandray taminny mpanjaka izy mba hanampy azy arabola amin’ny asa izay ataony. 
Maro ireo fikambanana naoriny tany ivelany ohatra tany Alge eny atraty Madagasikara iany koa. Nodimandry tao Parisy ny 27 Septambra 1660 I Vince de Paul ary nasandratra ho olomasina ny 77 taona taorian’io taona nahafatesany io iany izy.

Ny hoe Vince dia avy amin’ny teny Latinina hoe “Vechentius” midika hoe ilay mandresy.

 

Nampidirin'i tsirybesapaka

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101