Mb. Ingrid - 2 septambra

I Masimbavy Ingrid dia zafikelin’ny Mpanjaka tao Suede. Rehefa maty ny vadiny dia lasy nanao fivahinianana tany amin’ny tany masina izy. Rehefa niverina izy dia nandalo tao Roma, ary nahazo alalana tamin’ny Papa Ray Masina mba hanorina fikambanana Relijiozy mihiboka any amin’ny tanindrazany. 
Ny anadahiny no nanampy azy tamin’ny fanamboarana izany toerana izany, ka notokanana ny 15 Aogositra 1211 tao Suede io toerana io. Indrisy nefa fa ny eritaona taorian’io dia nandray ny valisoany any andanitra i Ingrid, ny 2 Septambra 1282.

Ny hoe Ingrid dia avy amin’ny teny Gemanique hoe “Inger freed” midika hoe tiana na hoe kanto.

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1167