Md. Benoà - 11 jolay

Ankalazaina ny 11 jolay. Md. Benoà dia taranak'olona ambony tao Norsia (Italia). Nony feno 15 taona izy dia nalefa hianatra tany Roma. Maro loatra ny fakam-panahy sy ny rendrarendra nananontanona tao Roma ka naleony nihataka mba hitady an'Andriamanitra. Tonga tamin'ny zohy tao amin'ny tanàna iray tsy dia lavitra an'i Roma atao hoe Subiaco izy ka nahita mpitokamonina tao. Niangaviany io mba hitarika sy hampianatra azy amin'ny làlana nofidiny amin'ny fitadiavana an'Andriamanitra. Nitombo fahamasinana sy fiainam-panahy lalina teo anivon'Andriamanitra i Benoà ka nisy ireo mpitokamonina sasany nanodidina no nahatsikaritra izany. Nangatahan'ny monastera iray teo an-tanàna tsy dia lavitra teo izy mba ho lehiben'izy ireo. Nampianatra azy ireo ny fiainana anaty famehezan-tena lalina izy ka maro no tsy nahazaka. Nisy mihitsy aza no nanandrana nanapoizina ny sakafo nohaniny. Voatery niala tao Benoà noho izany ka niverina tao anaty zohy. Nanaraka azy kosa ireo rahalahy izay naniry ny hiaina ny fiainana niainany. Teo no niatombohan'ny fitsipi-piainan'ny Benediktina. Nialona azy ireo ny pretra iray tao an-tanàna ka nandroaka azy. Lasa nitsoaka tao Mont-Cassin izy ireo ka tao no niforona ny monastera benediktina voalohany. Tany no nahafaty azy ny taona 547.

Nampidirin'i eugene

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106