Md. Dominique Savio - 6 mey

Tanora Salezianina i Dominique Savio. Teraka tao Riva di Chieri (Turin) tamin’ny taona 1842. Zaza faha roa aminy ireo 10 mianadahy nateraky ray aman-ndreniny izy. Mbola kely dia efa nanana fitiavam-bavaka latsa-paka sy faharanitan-tsaina I Dominique Savio.
Vao 4 taona monja izy no nahay sy nahavita ny vavaka Angelus in-telo isanandro. Vao 5 taona izy dia efa nahazo niservy lamesa. Noho ny fahamatorany eo amin’ny finoana, nandray ny sakrameta ny kômonio voalohany izy teo amin’ny faha-7 taonany.Tamin’ny andro nandraisany an’i Jesoa voalohany io izy no nanana ilay tarigetram-piainany hoe “hankamasina ny andro fety rehetra aho, hikônfesy matetika ary handray kômonio matetika araka ny fahazoan-dalana omen’ny Pretra mpitantana am-panahy ahy. Jesoa sy Masina Maria no namako ary aleoko maty toy zay manota”. Naniry mafy ny hanao Pretra izy ka vitany ny mandeha an-tongotra tsy manao kiraro. Mandeha 16 km isanandro mba hanovo fahalalana. Hitan’ny Pretra ny faharanitan-tsain’I Dominique Savio sy ny fahantran’ny fianakaviany ka nentiny tany amin’I Don Bosco izy mba hanovo fahalalana ka voaray soamantsara tao izy ny Oktobra 1854 teo amin’ny faha 12 taona sy tapany teo.Isan’ny ankizy tena nahafapo an’Don Bosco tokoa izy ary nankininy tanteraka tamin’I Masina Maria tsy voakasim-pahotana tamin’ny fototra ny andro rehetra niainany. Nisarika ireo namany hitia sy hanaja ilay Reny Masina izy. Farofy ara-pahasalamana i Dominique Savio. Ny taona 1857, ririnina ny andro tamin’izay, nihombo ny aretiny, ka na teo aza ny herim-po sy ny hafaliany dia voatery tsy maintsy nanapaka fianarana izy, kilasy faha roa izy tamin’izay ary nalefa niverina nody tany amin’ny fianakaviany mba hitsabo tena sy haka aina. Herinandro taorian’io, teo am-pofoan’ny rainy i Dominique Savio no nisento farany sy nametraka ny fiainany teo am-pelatanan’Andriamanitra. 14 taona sy 11 volana izy tamin’izany.

Ny hoe Dominique dia avy amin’ny teny Latinina hoe “Dominicus” midika hoe natolotra ho an’Andriamanitra.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735