Md. Sylvain - 4 mey

Eveka tao Gaza niaina tany amin’ny taonjato faha 4 i Sylvain. Olona malemy fanahy sy tia fandriampahalemana izy. Nisy ny fanenjehana ny kristianina tamin’izany fotoana izany. Voaheloka hanao asa anterivozona tany Palestinina i Syvain, niaraka tamin’ireo kristianina 40 namany. Toa an’ireo olona rehetra voaheloka tamin’izanydia, nalana ny masony ilany, nodorana tamin’ny vy mahamay ny tongony. Rehefa notsaraina izy ireo dia nanome baiko ny Césare Maximin Daya fa tapahana miaraka ny lohan’izy 40 mianadahy ireo. Marihina fa ny Amperora Dioclétien no nanjaka tamin’izany fotoana izany.

Ny hoe Sylvain dia avy amin’ny teny Latinina hoe “Sylva”midika ho ala (zava maniry).

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0265