Md. Filipo - 3 mey

Teraka tao Betsaida akaikin’ny farihy Tibériade i Philippe. Mpianatr’i Joany Batista izy alohany niantsoan’i Jesoa azy. Izy no nitarika an’I Bartelemy hanaraka an’i Jesoa. I Philippe no nanontanian’I Jesoa hoe “Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo vahoaka?,” talohan’ny fampitombona ny mofo, araka ilay voalaza ao amin’ny Vaovao mahafalin’I Masindahy Joany (6, 5 -7). Taminy ireo Jentily no niangavy mba hanatona ny Tompo araka ny nambaran’i Masindahy Joany (12, 21 – 22). Nisongadina ihany koa Philippe tamin’ny sakafo farany niarahan’i Jesoa tamin’ny mpianany raha niangavy azy haneho ny Ray izy (Jo.14,7 – 12) ary ilay andininy faha-8 manao hoe: “Asehoy anay ny Ray Tompo dia ampy ho anay izany”. Nitory ny Vaovao mahafaly tany Scythes izy ary nodimandry tao Hierapolis. Tao ihany no nalevina araka ny voalazan’I Eusébe tao Césarie.
Ny hoe Philippe dia avy amin’ny teny Grika hoe “philos” izay midika hoe namana ary ny “hippo” midika hoe soavaly.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725