Md. Nérée sy Achillée - 12 mey

Maritiry niaraka izy roalahy ireo. Mpanompon’i Masimbavy Flavie Domitilla. Ny fitiavam-bavaka nasehony no nampibebaka an’io zanaky ny mpanjaka io sy nahatonga azy hatoky azy ireo. Araka ny efa nambara tamin’ny fitantarana ny toe-piainan’i Masimbavy Flavie tamin’ny faha-7 ny volana May dia, izy roalahy ireo no nanazava sy nandresy lahatra azy, tsy hanambady afa-tsy i Jesoa Kristy. Noho ny fampianaram-pinoana nataon’izy roalahy no naha-tonga an’i Flavie handà ny fangataham-bady nataon’i Aurelien azy, ary nangataka tamin’ny Eveka mba handray ny tso-drano. Tezitra tamin’izany i Aurelien ka nampisambotra an’i Nérée sy Achille fa rehefa azo izy mirahalahy ireto dia hiova mora foana i Flavie. Natao daholo ny fomba hanovàna hevitra azy roalahy ireto fa tsy nampy hontsona azy ireto izany. Nampijaliana mafy nefa toa tsikitsiky no nasetriny izany. Ny 12 May 98 no nanapahana ny lohan’izy roalahy teo imason’i Flavie sy ireo Kristianina namany. Nalevina teo amin’ny lalana tao Hardie ny vatan’izy ireo, ary nanorenana trano fiangonana taty aoriana, ho tsangam-bato mandrakizay ny fandresen’ireo maritiry ireo.
Ny hoe Achille dia avy tamin’ny teny Grika hoe “Achileus” midika hoe “Manana molotra tsara”. 

Ny hoe Nérée koa dia avy amin’ny angano Grika hoe “Néréus” midika hoe “Matanjaka sy maranin-tsaina. 

Loharano RDB

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0828