Md. Dimitri - 9 aprily

Ankalazaina ny 9 aprily. Diakra, Martiry (taonjato faha-4). Antsoina koa hoe Dimitri avy any Tesalonika. Diakra tao Sirmium tao Dalmasia izy. Anisan'ny martiry miaramila nalaza be avy any Antsinanana izy taorian'i Md. Georges. Kristianina nafana fo izy na dia miaramila aza ka nampangaina ho mpanakorontana sy nosamborina ary nalefa niady tamin'ireny olom-be tao an-kianja fialam-boly ireny. Araka ny tantara dia nisy zazalahy nantsoina hoe Nestor izay niaraka taminy tao an-kianja ka namono ilay olom-be niady tamin'i Dimitri. Tezitra tamin'izany ny amperora ka nampisambotra azy roalahy sy nampamono azy.

 
Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101