Mb. Irène - 5 aprily

 

Virjiny sy Martiry († 304). Mbola tanora dia tanora izy nandritra ny fanenjehana ny kristianina tany Salonique. Nitsoaka tany an-tendrombohitra toy ny rehetra izy tamin'ny voalohany, fa rehefa avy eo niverina nody sy tsy natahotra. Nandritra izany izy no nosamborina. Nasaina nandà an'Andriamanitra izy raha te ho velona saingy naleony maty ka nodorana velona izy.

Hoy ny boky mitantara ny martiry : Mb. Irène, 304, virjiny sy martiry. Satria nanafina ny boky masina izy na dia teo aza ny lalàna navoakan'i Dioclétien. Ary nandà ny hisorona ho an'ny sampy. Rehefa izany dia nasain'i Dulcétius, izay efa nampamono ny rahavaviny Agape sy Chiona, nesorina ny akanjony ary natsipy tao anaty afo izy. 

Ny sary dia mampiseho an'izy telo mirahavavy martiry.

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073