Md. Isidore - 4 aprily

Eveka sy Mpampianatry ny Fiangonana (*560 - † 636) - Namiratra tamin'ny fitantanany ny diosezin'i Séville ao Espana izy. Nandimby ny zokiny Md. Léandre tamin'ny maha evekan'i Séville azy. Imbetsaka izy no nitarika sinoda hiezahana hatrany hitady izay mahasoa ny fiainam-pinoan'ny Fiangonana ary nitarika ny Konsily faha-4 n'ny Toléde tamin'ny taona 633. 

Ny fampianaram-pinoana nasehony, tsy tamin'ny fitorian-teny ihany fa tamin'ny asa fanabeazana ihany koa, no nahatonga azy ho anisan'ireo antsoina hoe Mpampianatry ny Fiangonana. Maty tao Séville tamin'ny taona 636 izy.

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102