Mb. Zita - 27 aprily

Teraka tao Lucques Toscane i Zita ny taona 1212. Mbola zaza izy dia nobeazin’ny reniny tamin’ny fiainam-bavaka ary feno hatsaram-panahy sady tia manetri-tena.

Sahirana aram-pivelomana ny fianakaviany. 12 taona izy no niasa tamina fianakaviana Fatinelli tao Toscane noho ny tsy fahampiana tao amin’ny fianakaviany. Fotoana maro no niasany ka tsy nataony ambanin-javatra ny fifohazana maraina mandeha mivavaka alohan’ny handraisany asany. Fitaratra ho an’ireo namany tokoa izy satria tia manetri-tena sy mizara ny anjarany ho an’ny mahantra. Nandritra ny fiainany dia hainy ny miharitra am-pitsikiana ireo eso sy hasiahana ary ny hetraketraka ataon’ireo mpiara-monina sy mpiara-miasa aminy. Noho ny hatsara-panahiny dia maro ireo mpanompo namany no mialona sy nanendrikendrika azy ka mahatonga ny lehibeny nikapoka azy mihintsy aza. Ny fanalam-baraka nataon’ny hafa sy ny asa hafa mihoatra ny tokony nataony,manginy fosiny. Tsy nanohina ny atim-panahiny akory anefa izany fa najainy am-pitiavany hatrany ireo namany sy ny mpampiasa azy. Noho io toetrany tsotra sy nahafehi-tena io dia nankininy amin’Andriamanitra hatrany ny zavatra rehetra. Finoany sy ny fitiavam-bavaka nananany no nampifoha ny fanahin’ireo mpampiasa azy sy ireo namany. Ny 27 Aprily 1272 I Zita no nodimandry tao amin’ny ilay fianakaviana niasany io ihany teo amin’ny faha 60 taonany ary 48 taona niasany tao amin’io fianakaviana io. Voalaza fa nisy kintana niseho teo ambonin’ny fandriany tamin’ny fotoana nialany aina ary nangataka ny mponina ny hametrahana azy ao amin’ny Bazilika ao an-tanana.
Ny hoe Zita dia avy amin’ny tarehi-tsoratra faha-enina amin'ny abidy grika , ary heverina ihany koa fa avy amin'ilay teny latinina "cita" , midika hoe : faingana

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i hery

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0373