Md. Georges - 23 aprily

Ankalazaina ny 23 aprily. Martiry (✝ 303). Nandritra ny fanjakan'i Deoclétien dia nasaina nivavaka sy nanolotra sorona tamin'ireo andriamanitra kelin'ny fanjakana ny miaramila. Nisy miaramila iray izay tany Lydda any Palestine tsy nanaiky an'izany didy izany ka dia nampijaliana sy novonoina. Izay no tena tantara fototr'i Md. Georges. Nalaza be izy noho izany ka betsaka ireo olona izay niezaka nikaroka ny tena momba azy. 

Tamin'ireo tantara rehetra dia miseho i Md. Georges izay ampijaliana sy vonoin'ny amperora mihitsy kanefa avy eo dia sitrana amin'ny ratra nahazo azy ary mitsangana mananatra ny amperora indray sy mijoro vavolombelona.

Anisan'ny sary malaza dia i Md. Georges izay miady amin'ny dragona izay mampiseho an'i Satana. Betsaka noho izay ireo olona sy firenena izay eo ambany fiarovany.

Izy no olomasina mpiaro ny skoto.

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0199