Md. Caius - 22 aprily

Ankalazaina ny 22 aprily. Papa nanomboka ny 283 hatramin'ny nahafatesany ny 296. Teraka tany Dalmatia izy ary taranak'andriana tamin'izany fotoana izany. 

Tamin'ny fotoana niainany na dia nisy aza ny fanenjehana ny kristianina dia afaka niafina ihany izy ireo. Betsaka kosa anefa ireo nampian'ny Papa Caius amin'ny fitadiavana toerana hiafenana.

Araka ny tantara dia nenjehina koa izy ka voatery niafina tany anaty fasana ambanin'ny tany nandritra ny volana maro. Tratra ihany anefa izy ka novonoina ary lasa martiry.

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0218