Md. Anselme - 21 aprily

Teraka tamin’ny 1033 tao Val d’Aoste tany Italie i Anselme. Avy amin’ny fianakaviana andriana tao Aoste izy. Zaza nobeazin’ny reniny tamin’ny vavaka. Nahatsapa ny fiantsoan’Andriamanitra taminy i Anselme ka tsy notezain’ny Reniny intsony fa ny Rainy indray no nitaiza azy. Natsiaro nijaly toko izy noho ny toetran-dRainy ka lasa izy nandositra tany Frantsa ary niditra nianatra tao amin’ny fikambanana mpitoka-monina iray. Feno 27 taona izy no nisafidy ny hanoka-tena ho relijiozy tao amin’ity toerana fitokana-monina ity .
Voafidy ho Aseveka i Latran lehibeny ka notendrenyhandimby toerana io izy ny taona 1078. Na dia mafy ho azy ary ny fitantanana izany adidy niandraiketany izany dia nanao ezaka tokoa izy tamin’ny fampandrosoana. Olona masim-piainana sy tia fifandraisana ary sakaizan’ny asa-soratra ihany koa i Anselme; Ny taona 1093 izy no nandray ny toerana maha Eveka azy raha notendren’ny Papa ho amin’izany fiketrahana izany tao Canterbury. Maro ny sedram-piainana nolalovany tamin’izany noho ny fanembatsembanana nataon’ny mpitondra fanjakana tamin’izany. Na dia teo aza ireo rehetra ireo dia niaro hatrany ny fiainam-pinoana sy ny fanahin’ny vahoaka ondriny izy. Maro ireo boky nosoratany izay ampiasaina ho an’ireo mpiofana ho pretra taty aoriana.

Ny hoe Anselme dia avy amin’ny teny germanique, ny “Ans”midika hoe Andriamanitra ary ny “Helm”dia midika hoe fiarovana amin’ny ady.

Loharano. Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0758