Md. Elphège - 19 aprily

Ankalazaina ny 19 aprily. Arsevekan'i Cantorbéry, Martiry (954-1012). Nipoitra tao anatin'ny fianakaviana notsongoim-bolo tao Angletera izy. Nanana fanabeazana miavaka. Na dia teo aza ny rendrarendra izay nisarika azy, noho ny fari-piainana nananany, dia nifidy ny fiainan-drelijiozy mitoka-monina izy. Rehefa avy eo moa dia izy no lehiben'ny monastera ka niavaka tamin'ny fanarahana antsipirihany ny fitsipi-piainana. 

Voatendry ho evekan'i Winchester izy ary avy eo Cantorbéry. Nandritra ny naha eveka azy anefa dia niavaka tamin'ny fanetren-tena sy ny fiainana tsotra niainany izy. Mbola notazominy hatrany ny fiainan'ny mpitoka-monina niainany tany amin'ny monastera.

Nandritra ny fanafihan'ny mpanjakana Danois dia niezaka niaro ny ondriny izy ka nandeha niresaka tamin'ireo mpanafika. Ny tantara dia nilaza fa nisy mihitsy tamin'ireo mpanafika azy ireo no nibebaka vokatry ny vaovao mahafaly notoriny. Na izany aza anefa dia tsy nilefitra ireto mpanafika ka tafiditra tao an-tanàna ihany.

Niezaka nankahery hatrany ny Kristianina ny eveka ka nahatezitra an'ireto mpanjanaka. Nosamborin'izy ireo izy ka nampijaliany niaraka tamin'ireo relijiozy tao amin'ny monastera ary novonoiny nony avy eo.

 

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222