Md. Parfait - 18 aprily

Pretra tao Cordou Espagne, maty martiry i Parfait. Nitantana paroasy iray tao izy. Mbola nanjaka ny silamo tao tamin'izany ary fantany fa mety hihatra amin’ny aina ny fampibebahana nataon’izy ireo. Nikiry anefa Parfai;t tsy niafina tamin’ny fanehoana ny finoany. Indray andro dia nisy silamo roalahy nanadihady azy ny momba an’i Jesoa sy Mahomet. Tsy nisy fisalasalana i Parfait nilaza ny fandavany an’i Mahomet. Andro vitsivitsy taorian’izay dia nosamborina izy ary niakatra fitsarana arabo ka voaheloka ho faty. Nijoro hatrany tamin'ny heviny nefa izy fa I Jesoa Kristy ihany no zanak’Andriamanitra velona teto an-tany fa i Mahomet dia mpaminany tsotra ihany. Notapahana ny lohany ny 18 April;
Mbola mitohy hatramin’izao ny fanajana azy ao amin’ny Katedralin’I Paris rehefa mitsingerina io daty nahafatesany io.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099