Mb. Kateri Tekakwitha - 17 aprily

Ankalazaina ny 17 aprily. Olomasina Amerindiana voalohany. Kateri dia teraka ny 1656 tany amin'ny tanana iray any Ossernenon izay antsoina hoe Auriesville, fanjakan'i New York, amin'izao fotoana izao. Ny reniny dia efa kristianina niasa tao amin'ny paositra frantsay tao Trois-Rivières.

Mbola vao efa-taona monja izy no nisy areti-mifindra mafy nanjo ny fianakaviany ka nahafaty ny ray aman-dreniny sy ny anadahiny. Simba tamin'izany ihany koa ny masony ka nahatonga azy tsy hahazaka ny hazavan'ny masoandro. Izany no nantsoana azy hoe Takekwitha izany hoe "Ilay mimpenimpenina rehefa mandeha".

Tamin'ny taona 1666, nandritra ny nandefasan'ny frantsay mpampandry tany tany amin'ny tanin'ny Agniers dia voatery nitsoaka sy niafina tany anaty ala ny foko nisy azy nandritra ny ririnina. I Tekakwitha no nitantana azy ireo nanaraka ny reniranon'i Mohawk. Teo no nifankahitany voalohany tamin'ireo misionera Zezoita.

Nandà tsy hanambady ny lehilahy natolotry ny fianakaviany azy izy ka nanomboka tsy  nifankahazo tamin'izy ireo. Ary nandritra ny fandalovan'ny missionera iray Jacques de Lamberville dia nangataka ny hatao batemy izy izay natao ny andron'ny Paka 1676 ka nitondrany ny anarana hoe Kateri (Cathérine). Nandritra ny herintaona mahery taorian'ny bateminy dia nenjehin'ny fianakaviany izy. Indraindray tsy omen'izy ireo sakafo satria tsy miasa rehefa alahady. Notenenin'i Mompera Lamberville ary izy mba hiaina any atsimo akaikin'i Montréal. Tao no nahitany kristiana hafa ka nahafahany nanohy ny lalam-pinoany.

Noho ny aretina nahazo azy dia maty izy ny 17 aprily 1680, raha vao 24 taona monja.

Nasandratra ho olontsambatra ny 22 jiona1980 ;

Olomasina ny 21 oktobra 2012 nataon'ny Papa Benoa XVI (niaraka tamin'i Mompera Jacques Berthieu).

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0249