Md. Maxime - 14 aprily

Maritiry Rômanina tamin’ny taonjato voalohany I Maxime.Préfet tamin’ny andro nanjakan’ny Amperora Marc Aurel izy. Tsy nety nanapaka ny lohan’I Tiburce sy Valérien isan’ireo Kristianina nenjehina tamin’izany fotoana izany i Maxime rehefa nahare ny antson’Andriamanitra ka nibebaka.Nosamborina ihany koa izy ka notapahin-doha niaraka tamin’i Tiburce sy Valérien.ny 14 Aprily 117. Niara-nalevina izy telo mirahalahy ary najaina tao Rôma nanomboka tamin’ny taonjato faha 5.

Ny hoe Maxime dia avy amin’ny teny Latinina hoe “Maximus”midika hoe ilay lehibe indrindra.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206