Md. Stanislas - 11 aprily

Ankalazaina ny 11 aprily. Eveka sy Martiry (1030-1079). Teraka tao Krakovia. Mbola tanora dia tanora izy dia efa nanana fitiavana manokana ireo mahantra. Imbetsaka mihitsy izy no nifady hanina sy nampijaly tena ho fiaraha-mijaly amin'izy ireo. Nony maty ny ray aman-dreniny dia namidiny ny fananana rehetra navelan'izy ireo ka nomeny ny mahantra, fa izy kosa lasa niditra hiofana ho pretra.

Nantsoina ho Evekan'i Krakovia izy saingy tsy nanaiky ka ny Papa mihitsy no nanery azy hitondra ny diosezy. Na dia tonga Eveka aza anefa izy dia tsy nijanona ny fitiavany ny mahantra. Noraisiny avokoa ny anaran'ireo mahantra rehetra tao amin'ny diosezy ary nandidy ny kristianina mba tsy ho mafy fo fa hanome an'ireo izay tsy manana. 

Naheno ny fijalian'ny Kristianina tany Polonia izy vokatry ny nataon'ny mpanjaka Boleslas ka nahasahy nijoro sy niteny ity mpanjaka ity ny zavatra tsy mety nataony. Tsy navelany hiditra am-piangonana intsony mihitsy aza i Boleslas raha tsy mibebaka. Tsy tantin'ny mpanjaka izany ka izy mihitsy no nandeha namono ity eveka raha mbola teo am-panolorana ny Sorona Masina izy.

Nasandratra ho olomasina tamin'ny 1253 izy ka natao ho mpiaro manokana an'i Polonia.

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0907