Mb. Colette - 6 martsa

Vanim-potoana nivakian'ny Fiangonana Kristianina ny taonjato niainan'i
Colette (Grand schisme). Zazavavy tia vavaka ary sarotiny mafy amin'ny
fiainam-panahiny i Colette ka tsy naharitra tao amin'ny Fikambanan'ny
mpitokamonina nidirany fa nisintaka hitokana samirery.
Niangavy azy i Masindahy François d'Assise sy Masimbavy Claire mba
hanavao ny fiainam-pikambanana naorin'izy ireo avy. Nangataka
fahazoan-dàlana avy amin'ny Papa Benoît faha-13 i Colette ka nahazo
tsodrano feno sady voatendry ho lehiben'ny Fikambanana Clarisse
rehetra. Tanteraka sy lavorary ny fanavaozana ka tafaveriny tamin'ny
endriny tany am-piandohàna ny fiainana Fransiskana sy Clarisses.
Ny 6 mars 1447 i Colette no nodimandry, teo amin'ny faha-66 taonany.
"Fandresen'ny vahoaka" no hevitry ny teny hoe "Colette"

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0694