Md. Jean Joseph de la Croix - 5 martsa

Feno 16 taona i Jean Joseph no niditra tao amin'ny Fikambanan'ny "Frera madinika". Nandritra ny 30 taona izy nitety an'Italia nanaparitaka ny fanovàna ny fiainan'ny Pretra araka ny fampianaran'i Masindahy Pierre d'Alcantara.
Tao amin'ny ankohonampiainana Sainte Lucie no nandaniany ny andro sisa niainany, tamin'ny fitantanana ara-panahy ny olona sy ny vavaka.
Fanomezam-pahasoavana manokana ho azy ny fitorian-teny sy ny vavaka:
matetika izy no hita misondrotra mihevaheva miala amin'ny tany rahefa mifantoka mivavaka, na koa hita any amin'ny toerana roa samihafa amin'ny fotoana iray mitovy.
Ny 5 Mars 1734 no nodimandry i Masindahy Jean Joseph de la Croix.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0892