Md. Amédée - 30 martsa

Teraka tao Thonon ny taona 1435 i Masindahy Amedee. Efa hatrany am-pahaterahana I Amédée no nokasain’io Rainy io ho vadin’i Yolande, anabavin’i Louis faha-11 mba hitazonana ny fifanarahana Frantsay. Ny taona 1452 no natao ny mariazin’izy ireo ka sambatra toko ireo mpivady ireo satria natambatrin’ny finoana matotra sy hatsaram-panahy. Malala-tanana izy mivady ireo ary nanan-janaka fito. Ny taona 1464 i Amedee no nandimby ny Rainy. Lasa taizan’aretina izy tamin’izany, voan’itony aretina mifanitotsitona itony. Nandala ny fandriampahalemana izy ka nanda ny ady nanoherana ny Charles le Téméraire. Niombo ny aretiny ny zanany anefa mbola kely ka ny vadiny no nasainy nitantana ny fanjakany ny taona 1469. Tsy faly noho izany ireo rahalahiny ka nikomy. Tsy maintsy nanelanelana ny mpanjaka tao France.
Lasa nandeha nisitaka tany amin’ny Sainte Eusebe de Verceil- Italie i Amedee ary tany izy no nodimandry ny 30 Marsa 1472. Vetivety taorian’izany dia nangataka ny hanandratana azy ho olomasina ny vahoaka.

Loharano. Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0883