Md. Guénolé - 3 martsa

Zanak'i Masindahy Fragan sy masimbavy Gwen i Guénolé. Vao 10 taona izy dia nentin'ny ray amandreniny nitokamonina tany amin'ny nosy iray.
Mompera iray no mpitaiza sy manabe azy ka niaiky mihitsy izy io fa ho olomasina ity zaza ity. Feno 24 taona i Guénolé ka nikasa hanao fivahinianana masina any amin'ny fasan'i Masindahy Patrick. Niseho taminy anefa io olomasina io ka nanoro azy tsy hanao izany fa hanokatra trano fitokana-monina vaovao any Bretagne.
Nankatoavin'ilay mompera mpitantana azy ara-panahy izany, ary izy no lasa mpanabe ireo tanora mpanavao hirotsaka ao amin'ny fikambanana, anisan'ireo ry Masindahy Guémael.
Nodimandry tamin'ny taona 532 i Guénolé.
"Sambatra" sy "Sarobidy" no hevitry ny teny hoe: "Guénolé".

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1066