Mb. Gladys - 29 martsa

Mpanjaka vavy sady mpanirery galloise tamin’ny taonjato faha enina i Masimbavy Gladis. Nizarazara ho fanjakana kely Breton ny tananan’i Galles ka nitondra fanjakana iray tamin’ireo i Gwynllyw sy Gladys vadiny. Araka ny tantara voarakitra tamin’ny taonjato faha 12. Zanaka vavimatoa an’i Masindahy Brychan tao Brycheiniog i Gladys, ary nalain’ilay “ho vadiny” an-keriny. Ny mpanjaka Arthur no nanampy an’ity lehilahy ity tamin’ny fakana an-keriny azy. Rehefa maty ny vadiny dia toa tsy faly taminy ny zanany lahy antsoina hoe Cadoc ka lasa i Gladys nisitaka ary nandao tanteraka ny fiainan’izao tontolo izao, nanirery tany akaikin’ny reniranon’i Aide.

Ny hoe : Gladys dia anarana notsoahana avy amin’ny fiteny celte hoe : “Glad” midika hoe “harena”

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103