Md. Gontran - 28 martsa

Mpanjaka tao Bourgogne maty tamin’ny taona 592 I Md Gotran. Zafikelin’i Clovice sy Clotilde izy. Clotaire I no rainy ka rehefa maty ny Rainy dia izy no nandray ny fanjakana tao Bourgogne sy Orléans. 36 taona izy tamin’izay ary nitantana ny fanjakany amim-pahendrena. Nahavita nandrava ny fanafihana nataon’ny lombarda izy.

Vanimpotoana nikorontana sy sarotra tokoa tamin’io fotoana io, ka anisany nampisongadina ny fiainan’i Gontran ny fiarovana ny fianankaviana izay misara-bazana. Nandao ny vadiny anefa I Gotran ary nampamono ny mpitsabony. Tsapany ny hadisoana vitany tamin’izany ka nitomany ny fahotany ary nibebaka sy nanao asa fivalozana maro, sy fampijalian-tena fanoherana ny fahotany. Niezaka ihany koa izy nampitony ireo rahalahany ka rehefa maty ireo dia izy no nitsangana ho mpiahy ireo zana-drahalahiny, nanelanelana ny tsy fifankazahoana nisy tamin’izany fotoana izany. Marihana fa tamin’ireo vadin’i Gontran telo dia tsy nanana zanaka vavy afa-tsy iray ihany izy ary lasa nanao relijiozy io zanany io taty aoriana. I Gontran izany no mpanjakan’ny Franc voalohany nankatoavin’ny Fiangonana ho isan’ny olomasina. Oha-piainana azo tahafina ny fahatsapany ny hadisoany ka niezahany mafy hatrany ny hibebaka tamin’ny alalan’ny fanampian’ireo mahantra. Nanampy ny fiangonana ihany koa sy ny trano fitokana-monina. Niantso Kônsily ihany koa i Masindahy Gontran. Nanorina trano fitokanamonina iray amin’ny anaran’I Masindahy Marcel izy tao Sallon ary tao izy no niandry ny fotoana hodiany any amin’ny mandrakizay. Fotoana kely taorian’ny nahafatesany dia efa nantsoin’ny vahoaka tao amin’ny fanjakany ho olomasina i Gontran.

Ny hoe Gontran dia avy amin’ny fiteny Germanika hoe “Gund ” midika hoe “ady” ary ny hoe “Ram” midika hoe “Goaika”

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0824