Md. Habib - 27 martsa

Teraka tao Turkie i Masindahy Habib. Nohamasinina ho Diakra tamin’ny taona 321. Nenjehina izy raha nitory ny Vaovao mahafaly tany ambanivohitra sy nankahery ireo kristianina tsy hivadika tamin’ny finoana. Niafina izy aloha ary nitolotena tany amin’ny fitsarana ka nohelohina nodorana velona. Fampijaliana mampihorikoditra no natao taminy sy ireo kristianina namany izay maty maritiry tamin’izany fotoana izany. Nisy ireo nahantona tamin’ny tanany iray ary nohidina tao amin’ny trano maizina tsy nahita mazava mihitsy tao anatin’ny telo volana. Ao ireo notapahin-doha ary nisy ny nahantona teo ambonin’ny kitay handorana azy ka nasiana laniera niantona tamin’ny vavany ka rehefa nitsetsatsetsa ny afo dia mora ho azy ireo ny miala aina. Fasana iray ihany no nandevenana an’i Habib sy ireo Kristianina maritiry namany na dia tsy nitovy aza ny fotoana namonoana sy nandorana azy ireo.

Ny hoe Habib dia avy amin’ny matoateny Arabo hoe “Aba ”midika hoe “tiana” na “ malala-tanana ”

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0604