Mb. Cathérine de Suède - 24 martsa

Masimbavy Catherine dia mpanjakavavy tao Suede. Masimbavy Brigitte no reniny. Mbola kely izy dia efa narahan’ny demony izay niendrika omby hanoto ny vatany arefo. Nobeazina tao anatin’ny fahamasinana tany amin’ny trano fitokanamonina izy fa rehefa tonga any fotoana afahany miroso amin’ny fanambadiana izany hoe rehefa tonga taona izy dia notoloran’ny Rainy vady tsara toetra sy nanaja azy ary nifanaraka taminy nitazona ny voadin’ny fahadiovana izay efa niriany hatrin’ny fony fahakely.

Rehefa maty ny Rain’I Catherine dia lasa nifindra tany Roma I Brigitte Reniny, nandeha nanamasi-tena moa ny nandehanany tany. Naniry ny nanaradia azy koa moa i Catherine, ka rehefa nilaza izany tamin’ny vadiny dia notsofiny rano ka io vadiny io dia maty fotoana kely taorian’izay. Niara nivavaka nanao fivahinianana masina sy namangy fiangonana ary namangy ireo fasan’ny maritiry no nataon’izy mianaka. Niaraka nanao ny fampiasampanahy izy ireo ary niaraka nanao ny fampijaliha tena iany koa. Maro ireo naka fanahy azy mba ho aka vady azy. Fa hainy hatrany ny niala tamin’izany noho ny asan’ Andriamanitra mahagaga. Ny hafaliany dia ny fahambaniany eo imason’ny olona. Adiny efatra tsy akiato isanandro izy no mandohalika mibanjina ny fijalian’ilay panavotra. Kapoka mahatsiravina no asetriny ny vantany mba hitoviany an’ilay Kristy maodelim-piainany. Rehefa maty ny reniny dia nentiny niverina tany Suede ny taolambalony. Taorian’izay dia nitoetra tao Suede Catherine nanohy ny fampijali-tenany tany amin’ny trano fitokanamonina mandrapahafatiny. Kintana manjopiaka no nandrakotra ny habakabakin’ny trano fitokana monina nandritra ny andro sy ny alina nanomboka teo amin’ny andro nahafatesany mandrapandevina azy.

Ny Catherine dia avy amin’ny teny grika hoe “Cataros” midika hoe "madio”

Loharano: RadioDonBosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098