Md. Alphonse Toribio de Mogrovejo - 23 martsa

Masindahy Alphonse Toribio de Mogrovejo dia Archêque tao Lima. Mpanao asa soa an’ireo Indianina nijaly ny fanjanahan-tany nataon’ny Espagnol tany Perou izy. Avy ao Mayorga ao Espagne i Alphonse.ary ny panjaka Philipe II no nanendry azy ho Archêveque tao Lima.
Niazo ny Amerika izy ary matetika no mitsidika ireo Kristianina Indianina izay tany amin’ny Diôsezy midadasika nosahaniny ary antongotra hatrany no anaovany izany fitsidihana izany matetika. Niady nanohatra ny fanamparam-pahefana nataon’ny panjaka izy, nanokatra seminera ary izy ihany koa no nanentana ireo mpitrandraka volamena tsy hievitra azy ireo ho toin’ny andevo. Malemy fanahy I Alphonse Toribio, manam-paharetana, mahery fo ary maro ny fihavaozana nentiny tao Perou, indrindra fa ny fanajana ny famendrehan’ny olombelona, melohany ny fanamparam-pahefana sy ny hadisoana ataon’ny Pretra rehefa misy ny Sinaody ifanakalozankevitra. Arovany mafy ny fiangonana. Mampibebaka sy nampianatra katesizy ireo babo izy. Tao Sania izy no nodimandry ny taona 1606 nandritra ny fitsidihana pastôraly nataony.

Ny hoe Alphonse dia avy amin’ny teny Germanique. Teny roa izy io, Aldal midika hoe Andriana sy ny hoe Phonse midika hoe haingana.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0829